Alatsinainy 05 febroary 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an'Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan'ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny haizina nanarona ny hantsana ary ny Fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. Hoy Andriamanitra: “Misia ny mazava.” Dia nisy ny mazava. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny haizina. Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary ny maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany. Hoy Andriamanitra: “Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano, ary aoka izy hampisaraka ny rano amin'ny rano.” Dia nataon'Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin'ny habakabaka dia nosarahiny tamin'ny rano ambanin'ny habakabaka, dia tanteraka izany. Nataon'Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa. Hoy Andriamanitra: “Aoka hiangona amin'ny fitoerana iray ny rano eo ambanin'ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina.” Dia tanteraka izany. Nataon'Andriamanitra hoe tany, ny maina; ary nataony hoe ranomasina, ny rano tafangona, ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. Dia hoy Andriamanitra: “Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, samy mamoa misy ny voany ao aminy, araka ny karazany avy, eny ambonin'ny tany.” Dia tanteraka izany. Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo. Hoy Andriamanitra: “Misia fanazavana eo amin'ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina ; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona; ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany.” Dia tanteraka izany. Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra; ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa. Napetrak'Andriamanitra eo amin'ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany, hitarika ny andro sy ny alina, hampisaraka ny mazava sy ny maizina; ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Lehibe aoka izany Ianao, ry Tompo Andriamanitro, izay mitafy fahamendrehana sy fiandrianana, mifono hazavana ho toa akanjo.
Ianao nandraikitra ny tany tamin'ny fanorenany, mba tsy hihetsehany mandrakizay! Ny ranobe no toa bodofotsy narakotrao azy: ka nianina teny an-tampon'ny vohitra ny rano.
Nampiboika loharano teny an-dohasaha Ianao, sy nitarika azy ho eny anelanelam-bohitra; hitoeran'ny voron'ny lanitra eo amboniny, ka hikarantsanany anaty ravin-kazo!
Drey ny hamaroan'ny asanao, ry Tompo! Sady vita amim-pahendrena avokoa! Ny tany henika ny harenao! Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 6, 53-56Tamin'izany andro izany, nony tafita i Jesoa sy ny mpianany, dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo. Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo, dia nahalala an'i Jesoa niaraka tamin'izay ny olona, ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa misy Azy. Na taiza na taiza nalehany, na tamin'ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran'akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.
Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.
Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin'i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an'izao tontolo izao.