Alatsinainy 21 jona 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.
Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Tamin'izany andro izany, ny Tompo niteny tamin'i Abrahama nanao hoe: “Mialà amin'ny taninao sy amin'ny fianakavianao ary amin'ny tranon-drainao mba ho any amin'ny tany hasehoko anao. Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. Ho tonga fanasoavana ianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.”
Sambatra ny firenena tahin'Andriamanitra Tompony, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany... Any an-danitra ny Tompo mitazana: hitany avokoa ny zanak'olombelona.
Indro ny mason'ny Tompo amin'izay matahotra Azy, sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny tao-mosarena!
Ny fanahinay manantena ny Tompo: Mpitahy anay Izy sy ampinganay! Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny itokianay Anao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 7, 1-5Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo; fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa. Ary nahoana ianao no mahita ny tapak'ahitra ao amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin'ny masonao? Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: “Avelao hesoriko ny tapak'ahitra amin'ny masonao”, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin'ny anao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin'ny masonao, ary rahefa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak'ahitra ao amin'ny mason'ny rahalahinao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.
Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.
Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin'i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.