Talata 22 jona 2027

Talata Faharoa ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 27, 8-9

Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.

Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 13, 2. 5-18

Boky Jenezy

« Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao, fa mpirahalahy isika. »

Nanana harena be tokoa i Abrahama, dia biby fiompy sy volafotsy ary volamena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5.
Fiv.: Tompo ô, zovy no hiantrano ao an-dainao?

Izay mizotra tsy manan-tsiny sy mitandro ny rariny: milaza izay tena ao am-pony, tsy mamela ny lela haniasia.
Tsy manisy ratsy ny namana, na manebaka ny miara-monina; tsy manao ny olo-meloka ho zavatra, fa manaja izay matahotra ny Tompo; tsy mivadika amin'ny teny nomena, na dia hahasingo-tena aza.
Tsy mampanàna vola, na mandray kolikoly hahavoa ny madio. Izay manao izany tsy hihontsona mandrakizay!

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 7, 6. 12-14
« Izay rehetra tianareo hataon'ny olona aminareo dia mba ataovy amin'ny olona toraka izany koa. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin'ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy. Koa amin'izany, izay rehetra tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy amin'ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany. Midira amin'ny vavahady etý, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin'ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary etý ny lalana mankany amin'ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Kômonio Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin'i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.