Alahady 20 jona 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
ANDRIAMANITRA NO VONJINTSIKA SY ARONTSIKA
Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.
Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka. .. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jôba
Namaly an'i Jôba ny Tompo tao anatin'ny tafio-drivotra ka nanao hoe: “Iza no nanidy ny ranomasina tamin'ny varavarana, fony izy nivoaka nisavoamboana avy any am-bohoka; raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho, ary ny zavona matevina ho lambam-pandriany; raha nampanaiky azy ny didiko sy nanisy hidy amam-baravarana taminy, ka nilaza taminy hoe: Hatreto alehanao, ka tsy hihoatra, fa eto no hijanona ny fianjonanjonan'ny onjanao”.
Ireo midina an-dranomasina an-tsambo sy manao ny asany eny ambony rano dia mahita ny asan'ny Tompo, ny zava-mahagaga ataony amin'ny alina.
Mitony izy, dia avy ny tadio, ny onja misavoana manakatra ny lanitra dia midina hatrany amin'ny hantsana ny ainy tsy metimety, toy ny ho lasana.
Dia mitaraina amin'ny Tompo fa mijaly, ka afahany amin'ny fahoriany: ny rivo-mahery tonga tsiotsioka, ny alon-drano nitrena sina tampoka.
Faly ireo fa nitony ireny, izy koa tody an-tseranana irîna.
Aoka izy hisaotra ny Tompo tia, mpanao zava-mahagaga ho an'ny olona.
Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, terin'ny fitiavan'i Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an'ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty ho an'ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'Izay maty sy mitsangana ho azy ireo. Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izahay; ary na dia nahalala an'i Kristy araka ny nofo aza izahay, dia tsy araka izany intsony no ahalalanay Azy ankehitriny. Noho izany, na iza na iza ao amin'i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 4, 35-40Tamin'izany andro izany, dia fanoharana maro no nitorian'i Jesoa teny tamin'ny vahoaka. Ary nony hariva ny andro, dia hoy Izy tamin'ny mpianany: “Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano”. Dia nilaozan'izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin'izao an-tsambo kely i Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. Fa i Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin'ny ondana, ka nofohazin'izy ireo Izy nilazany hoe: “Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?” Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin'ny ranomasina hoe: “Mangina, mitonia”. Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. Ary hoy Izy tamin'izy ireo: “Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?” Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: “Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?”
Ry kristianina havana, eo anoloan'ny adim-piainana diavintsika ankehitriny, dia toa very hevitra sy mila ho kivy isika, fa tsy hita intsony izay hifaharana. Eo anefa Andriamanitra, Tompon'ny hery sy ny fahefana rehetra, sy i Jesoa Kristy Zanany tonga hamonjy antsika; koa andeha hiantso Azy amim-pinoana, mba hankahery sy hiaro antsika lalandava Izy.
Tompo ô, jereo amim-pitiavana izahay eto anivon'izao fiainana sarotra sy feno tebiteby izao. Ianao no Tompon'ny hery sy ny fahefana rehetra ka aza avela hanafotra anay ny rivo-dozan'ny fijaliana sy ny fahotana isan-karazany.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ity sorom-pifonana sy fiderana ity: ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy, ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.
Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.
Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy ny Ra masin'i Kristy; koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao, ho antoky ny fanavotana anay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.