Ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy

1. admin ( 03/03/2020 09:51)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

“Miverena ianao ry mpanota ô, “Raha misy olona nanota”. Izany indray izao no hira ho fanaontsika matetitetika any am-piangonana sy rehefa miaraka mivavaka. Dia azonao an-tsaina fa Karemy ny andro; vo... tohiny...
novalian'i admin ny 03/03/2020 10:49
2. Danih_Diamonne ( 03/03/2020 09:51)
Salama tompoko.

Mba manitikitika ny saiko ny momban'ny fifadian-kanina vokatry ny fikaroana kely nataoko.
Inona avy ny sakafo tokony ho fadiana akoatran'ny hena ?
Ny trondro ve tafiditra ao anatiny ?

Raha ny fikaroana nataoko manokana dia ireo henam-biby sy izay rehetra azo avy amin'ny biby toy ny ronono , atody , dibera , fromage , etc.

Dia mba tiko ho fantatra mazava ny tokony hatao.

Misaotra indrindra.

Que Dieu vous bénisse.
3. admin ( 03/03/2020 10:49)
Miala tsiny raha mety handiso fanantenana anao, izay nanao fikarohana manokana mbomba izany, ny valin-teniko.

Ny fo sy fanahy tsinona no miasa kokoa amin'ity resaka ity.

Ny tokony hovaliana sy eritreretina dia hoe inona no antony anaovanao ilay fifadian-kanina? Tamin'ny fanombohana ny karemy ny lohahevitra dia hoe "Ny fonareo no rovidrovito". Izany hoe ny karemy dia fiovam-po indrindra fa tsy fiovam-batana. Ka ny fifadian-kanina dia natao indrindra hahatonga izany fiovam-po izany.

Inona ny fiovam-po azo tsoahina amin'ny fifadian-kanina?
- Fifehezan-tena
- Fahafahana manangona kely hanampiana ny hafa.
- mety mahita hafa koa ianao...

Dia ireo no ezahina fakafakaina.

Inona ohatra no antony tsy hihinananao hena? Mpihinan-kena matetika ve ianao? Dia tafiditra amin'ny fifehezan-tena izany ilay mba tsy mihinana hena. Fa raha ohatra ianao ka tsy misy vokany aminao akory ilay tsy mihinan-kena satria ianao efa tsy dia mpinan-kena rahateo, dia tsy hisy vokany ilay izy.
Ny fahazarana fanao izany, na dia ara-tsakafo aza, ilay fahafinaretana kely amin'ny sakafo, iny no ezahina fehezina. Ary ny vokatr'iny dia entina hanaovana asa fanasoavana. Ohatra hoe tsy mihinana hena na trondro na zavatra lafolafo kokoa ianao dia omenao mahantra ny vokatry ny fihafianao.

Tahatahaka izay ilay izy.
Danih_Diamonne:

Salama tompoko.

Mba manitikitika ny saiko ny momban'ny fifadian-kanina vokatry ny fikaroana kely nataoko.
Inona avy ny sakafo tokony ho fadiana akoatran'ny hena ?
Ny trondro ve tafiditra ao anatiny ?

Raha ny fikaroana nataoko manokana dia ireo henam-biby sy izay rehetra azo avy amin'ny biby toy ny ronono , atody , dibera , fromage , etc.

Dia mba tiko ho fantatra mazava ny tokony hatao.

Misaotra indrindra.

Que Dieu vous bénisse.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021