Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
“Miverena ianao ry mpanota ô, “Raha misy olona nanota”. Izany indray izao no hira ho fanaontsika matetitetika any am-piangonana sy rehefa miaraka mivavaka. Dia azonao an-tsaina fa Karemy ny andro; voavinaninao fa mandalo ny efapolo andron’ny fibebahana isika rehetra. Niatomboka tamin’ny alarobia lasa teo, alarobian’ny lavenona hoy isika, ny efapolo andron’ny Karemy; efapolo andro iomanam-panahy sy anaovaozam-panahy bebe kokoa. Ataoko fa efa hainao tsara fa ny karemy dia avy amin’ny teny hoe efapolo; efapolo taona ny zanak’Israely no namakivaky ny tany Efitra rehefa nivoaka ny fanandevozana ejipisiana, efapolo andro i Jesoa no nonina tany an’efitra ka nalain’ny satana fanahy tamin’ny fitsapana sy fakam-panahy samihafa. Dia toy izany ihany koa ho antsika kristianina katolika; efapolo andro iainana ny fibebahana amin’ny famolahan-tena ara-tsakafo sy fivavahana.
Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity alahady voalohany amin’ny karemy ity dia mitantara izany efapolo andro niainan’i Jesoa tany an’efitra izany. Fotoana fohy taorian’ny bateminy teo amin’ny ony Jordany, dia nentin’ny Fanahy i Jesoa ka lasa nankany an’efitra mba hivavaka; ary nony tonga tany Izy dia nalain’ny demony fanahy tamin’ny fitsapana in-telo miantoana. Ny fakam-panahy voalohany dia ny mahakasika ny filàna ara-nofo. Ny filàna fototra amin’ny ara-nofo dia ny sakafo. Ny filàna ara-nofo faharoa dia ny voninahitra sy ny laza. Ny voninahitra dia tsy inona tsy akory fa ny fiheverana ny tena ho ambonin’ny olona rehetra; masi-mandidy amin’ny zavatra rehetra ary tsy matahotra an’iza na iza. Ny filàna fahatelo dia ny fiheverana ny tena ho andriamanitra hiankohofana sy hivavahana. Jereo akaiky fa ireo olona nametraka ny tenany ho andriamanitra dia ireo làlana telo ireo no nizorany; sanatria tsy hoe hitsara na iza na iza aho no milaza an’izany fa ohatra raisiko izao mba hanaovantsika jery todika ny amin’ny fakam-panahy. Jereo i apostoly Tsaratsara, izay niteraka resa-be teto Madagasikara ny fomba fiainany: olona mafy ady, nitrongy vao homana. Dia nanao izay fomba rehetra hahavoky ny nofo. Ary rehefa voky dia nihevi-tena ho ambonin’ny olona rehetra ka tsy nanaiky raha tsy lasa filohan’antokom-pivavahana. Ary rehefa lasa filohan’antokom-pivavahana dia tsy afa-po raha tsy nametraka ny tenany ho andriamanitra hiankohofana sy hivavahana.
Ny fifadian-kanina dia manampy antsika hanohitra ny fakam-panahy ara-nofo sisa hafa. Rehefa voafehinao ny nofo dia manaraka mora hoazy ny fifehezana ny fanahy. Koa satria moa ny fanahy no maha-olona, noho izany ny tena olona mahafehy tena dia ny olona mahafehy ny fanahiny. Kanefa averiko ihany, atomboka amin’ny fifehezana ny nofo ny fifehezana ny fanahy. Fotoana ary izao karemy izao hanamafisana bebe kokoa ny fifehezana ny nofo amin’ny filàna isan-karazany; fotoana izao karemy izao hiadiana amin’ny filàna mitondra amin’ny fahaverezam-panahy isan-karazany. Tahaka ny nataon’i Jesoa, izao vanim-potoanan’ny karemy izao no fotoana tsara indrindra hanaovana fifadian-kanina araka ny tokony ho izy. Fa tsy izany ihany, fa toy ny nataon’i Jesoa tany an’efitra, fotoana izao karemy izao hametrahana fotoana bebe kokoa hivavahana sy hanaovana asa fiovam-panahy. Izao karemy izao no fotoana manampy indrindra hientanana ara-panahy amin’ny fivavahana sy fihaonana amin’ny Tompo. Izao efapolo andro izao no fotoana tsara hiverenana amin’ny Tompo sy hilozohana amin’ny fibebahana marina. Mandritra izao karemy atombokantsika izao, no andro tsara hanarenana indray ny fihavanana; na eo amin’Andriamanitra na eo amin’ny samy olombelona.
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary