Matio 13:55-56 ( Rahalahin'i Jesoa ve?)

1. Andrekim ( 08/06/2014 17:18)
Salama tompoko! mba mitady ny hevitra mahakasika anio andalana soratra masina io ny tenako. Matio13;55-56. fanontaniako dia izao, moa ve rahalahin'i Jesoa sy anabaviny ara-bakiteny reo voateny eo ireo ? ary moa ve nanan-janaka hafa i Masina Maria ankoatran'ny Jesoa?, mialatsiny @fanontanianina raha tsy mety fa nahatonga ady hevitra lay resaka ka izay no mba angatahako fanazavana. ary koa moa ve Virijiny mandray i Masina Maria ary volaza ao @baiboly ve izany. Misaotra tompoko.
novalian'i admin ny 11/08/2014 08:39
2. admin ( 11/08/2014 08:39)
Be dia be ny zavatra azo handikàna io teny io ary betsaka ireo mpandinika no efa nilaza izany... ireto lazaiko ireto ny sombiny.

- Ny cousins dia rahalahy koa. Mety hoe cousins-n'i Jesoa izany ireo.
- I Josefa vadin'i Maria dia mety efa niteraka taloha, ka mety rahalahiny avy amin'izany ihany koa ireny.

Ny hoe Virjiny mandrakizay ve i Maria, dia ho an'ny Katolika dia eny ny valiny. Ny voalaza ao amin'ny baiboly momba izany dia tsotra fotsiny, ilay teny hoe "feno hasoavana" (Lk. 1. 28). Midika zavatra goavana be io araka ny teolojia katolika. Ny ankamaroan'ny fampianarana mikasika an'i Masina Maria dia mifototra amin'io. Ary anisan'izany ny maha Virjiny mandrakizay an'i Maria.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0793