Be dia be ny zavatra azo handikàna io teny io ary betsaka ireo mpandinika no efa nilaza izany... ireto lazaiko ireto ny sombiny.
- Ny cousins dia rahalahy koa. Mety hoe cousins-n'i Jesoa izany ireo.
- I Josefa vadin'i Maria dia mety efa niteraka taloha, ka mety rahalahiny avy amin'izany ihany koa ireny.
Ny hoe Virjiny mandrakizay ve i Maria, dia ho an'ny Katolika dia eny ny valiny. Ny voalaza ao amin'ny baiboly momba izany dia tsotra fotsiny, ilay teny hoe "feno hasoavana" (Lk. 1. 28). Midika zavatra goavana be io araka ny teolojia katolika. Ny ankamaroan'ny fampianarana mikasika an'i Masina Maria dia mifototra amin'io. Ary anisan'izany ny maha Virjiny mandrakizay an'i Maria. |