Tonga ny Mesia

Oe! Oe hoy ny antson’ireo anjely
Manambara any an’efitra
Fa tonga ny Mesia (bis)

1-      K’aza matahotra ianareo ry mpiandry ondry
Hafaliana be no ambara aminareo
Teraka ho anareo Jesoa lay Mesia
Ke Gloria, in excelsis Deo

Ary ianao ry Betlehema soa
Tsy ianao no kely indrindra va amin’ny vohitr’i Jodà
Avy aminao no hipoiran’ny famonjena
Mesia, Emanoela Gloria
Mpanjakan’ny mpanjaka, Aleloia

2-      Notarihin’Andriamanitra ny Majy avy atsinanana
Nentanin’ny finoana, tsy natahotra lalan-tsarotra
Nanolotra fanomezana ho an’ny Zanak’I Davida
Ke Gloria, in excelsis Deo

3-      Romotry ny hatezerana i Herôda mpanjaka
Namono nahafaty zazamena marobe
Josefa, Maria, Jesoa navotan’Andriamanitra
Ke Gloria, in excelsis Deo

Nampiditra admin
Sokajy Noely
Antsao ny Tompo p. 196
Karine Dera p. 516
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092