Raha sendra havizanana

1  Raha sendra havizanana na tojo hafanana,
    Mirepirepy fanina, fa main’ny hetaheta.
    Tsy lavitra kanefa, jereo ny loharano, jereo,
    Miboiboika tsisy fetra, mandonaka ny tany.

Ry Jesoa Tomponay ô, Ianao no Ranovelona
“Avia, hoy ianao, avia ka misotroa
izay main’ny hetahetam-pahamarinana."

2  Raha sendra hasasarana no tojo fisedrana,
    Manjepizepy fanina ka toy ny afaka aina.
    Tsy lavitra kanefa, banjino fa miboika, banjino,
    Tsy miato ‘zao ny Rako, hamerina ny aina.

Ry Jesoa Tomponay ô, ianao no Ra mpamelona,
“Avia, hoy ianao, avia ka misotroa
Ny rako odifaty: onim-pahafahana ô."

3  Raha sendra ny hamaizana na tojo fahosana,
    Mandraingiraingy marina gejain-dRafahotana.
    Velomy ny Finoana, banjino fa tsy ritra, banjino,
    Fanahy Ranovelona, mamelona ny Rako.

Ry Jesoa Tomponay ô, ny Fanahy mpanamasina
No indro atolotrao ho Fahamarinanay
Fa Izy hoy Ianao, “Fanahim-pahamarinana” ô.

Nampiditra ari.malala
Fihirana Hasina p. 670
Vavaka sy Hira p. 793
Vavaka sy Hira p. 804
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0653