Vao mangiran-dratsy ny andro

Fiverenana:

Vao mangiran-dratsy ny andro
Sahala amin’ny serfa maniry higoka rano velona
Ny ainay manontolo mikatsaka Anao
Mikatsaka Anao ry Tompo ô!
Aleloia !, Aleloia !

1. Miantso Anao ny saina, fo fanahiko
Mba valio hatrany re, ry Tompoko
Ny fitsipikao ho tanterahiko

2. Indro Ianao irery no antsoiko
Ka vonjeonao aho ry Tompoko
Ho tandremako ireo nambaranao

3. Mbola tsy mazava ny atsinanana
Dia efa velona antso mitaraina aho
Miandry am-pitokiana ‘zany teninao

4. Mihoatra ireo mpiambina amin’ny alina
Zara raha mikipy tony masoko
Dia ny didinao no saintsainiko !

5. Mba henoy ny talahoko Aminao
E! tsy manamm-petra ny hatsaram-ponao!
Ny fitsaranao anie hamelona ahy

6. Reo mpanenjika ahy indreo manatona
Sy miray tetika amin’ny heloka
Ny lalana atoronao nilaozany !

7. Fa Ianao tsy lavitra ry Tompoko
Marina avokoa ny didinao
Teninao no marina ifikirako

8. Efa hatry ny ela d'indro fantatro
‘Lay fanambarana mba hamonjy anay
Dia naorinao ho mari-pototra

9. Koa deraiko Ianao, ry Ray mpiahy anay
Zanakao no lalana sy fiainanay
‘Lay mitondra anay hanao ny sitrakao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0344