Andro sambatra loatra

1.- Andro sambatra loatra
     No nandraisako anao
     Ho anao samy irery
     Izao fiainako izao.

               Tao an-davaka aho
               Nihevi-tena ho very
               Fa ianao no niantso
               Ka voavonjy aho izao, o o o o

2.- Ô ry olom-boavonjy
     Mitsangana ianao
     Fa i  Jesoa Mpamonjy
     No nanavotra anao.

3.- Ka ny dera sy saotra
     Ry Jesoa Zoky tia
     F’andro sambatra loatra
     Ity anio ity.

Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094