Mientan-kafaliana aho eo anivon'ny fahorian-drehetra - Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo, Jesoa Kristy, Andriamanitra Ray,


  • Fihirana Hasina p. "540
  • Fihirana Vaovao p. "272

Mientan-kafaliana aho eo anivon'ny
Fahorian-drehetra noho i Kristy. (2 Kor. 7, 4)

(Sal. 28)

1 Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy:
 Tsy navelanao hifalian'ny fahavaloko aho.
 
2 Ry Tompo Andriamanitra ô,
 Niantso anao aho, ka nositraninao!
 
3 Ny fanahiko, ry Tompo ô,
 Nakarinao avy any an-tseoly.
 
4 Novelominao aho
 Izay efa nitsitra tany an-davaka!
 
5 Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka!
 Isaory ny anarany masina.
 
6 Mihelina foana ny havinirany,
 Maharitra kosa ny fanambinany.
 
7 Izaho: hariva, mialin-tomany;
 Maraina, velon-kalo!
 
8 Hoy ny teniko raha mbola niadana:
 Tsy hihontsona mandrakizay aho!
 
9 Satria mantsy nambinin'ny Tompo
 Sy nataony toy ny vohitra mafy.
 
10 Kanjo nanafenanao tava:
 Ka indro nirepirepy!
 
11 Dia mbola ianao, ry Tompo, no nantsoiko,
 Ny Tompo no nihantako:
 
12 Soa inona no avy amin'ny rako
 Sy ny idinako any an-davaka?
 
13 Ny vovoka moa midera anao
 Na manambara ny fahamarinanao?
 
14 Mandrenesa, ry Tompo, iantrao aho!
 Tompo ô, tahio aho!
 
15 Dia navadikao ho dihy ny toreoko
 Natosakao ny lasakako!
 
16 Hafaliana no nasikinao ahy
 Mba tsy hangina ny foko fa hiantsa anao.
 
17 Ry Tompo Andriamanitra ô,
 Mandrakizay no isaorako anao!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0071 s.] - Hanohana anay