Izahay, ry Andriamanitra - Vatolampy no nanorenan'i Kristy
Vatolampy no nanorenan'i Kristy
Ny Fiangonany,
Ka tsy hahery noho izy
Ny fanjakan'ny fahafatesana. (Mt. 16, 18)
(Sal. 47)
1 Izahay, ry Andriamanitra,
 Mametsovetso ny hatsaram-ponao
 Ao afovoan'ny tempolinao.
 Ny voninahitrao dia toy ny lanitra:
 Mandrakotra ny tany tontolo.
 
2 Fahamarinana ianao
 Eo amin'ny fitsarànao.
 Noho izany, ny vohitra Siôna mifaly,
 Ny zanakavain'i Jodà mibitaka.
 
3 Hodidino i Siôna ka tetezo,
 Isao ny tilikambony;
 Banjino ny mandany,
 Diniho ny lapany.
 
4 Mba hahazoanareo mitantara
 Amin'ny taranaka amam-para,
 Fa ny Tompo Andriamanitsika
 No mitantana antsika mandrakizay.
                    Nampiditra Belle                
                                        
            
                            
                            Fihirana Hasina p.
                            538                        
                                    
