Vavaka (hasivianandro) mba hahazoana ny fahasalamana

Ry Fanahy Masina,

mpahary sy mpanavao ny zavatra rehetra, ain'ny fiainako, mitsaoka anao sy misaotra anao miaraka amin'i Masina Maria aho, ary tia anao. Ianao no ilay manome ny aina sy mamelona ny zavaboahary manontolo. Mba omeo ahy mandrakariva ny fahasalamana ary mba afaho aho amin'ny aretina rehetra mananontanona sy amin'ny ratsy rehetra manimba ny fahasalamako.

Miaraka amin'ny fahasoavanao, dia manome toky aho fa hampiasa mandrakariva ny heriko mba ho an'ny voninahitr'Andriamanitra sy ho famonjena ny fanahiko ary hanompoana ny hafa. Mivavaka aminao koa aho, hazavao amin'ny fanomezanao ny fahalalan'ny saina sy fahazavan-tsaina ireo mpitsabo ary izay rehetra mikarakara marary mba hahalalany ny tena fototry ny aretina izay mamela-pandrika sy manambana ny fahavelomana. Enga anie mba hazava amin'izy ireo ny fanafody mahomby ka hampiasainy mba hiarovana sy hitsaboana.

Ary raha sitrak'Andriamanitra ny hananako/ny fahasalamana indray dia mba omeo ahy NA an'i.... (tononina ny anarany) izany.

Rainay...

Arahaba, ry Maria...

Voninahitra anie...

Hevitra mandeha

crl9.ant7 ( 09/10/2015 21:37)
Miarahaba antsika rehetra! Mba mangataka vavaka anie aho ho an'i Madame Clemence izay tratran'ny aretina homamiadan'ny taolana e! Mino aho fa raha maro isika no mivavaka ho azy dia hisy ny Fahagagana lehibe ataon'Andriamanitra azahoany fahasitranana tsy ho ela intsony, araka ny sitrapony AMENA. Dia misaotra sy mankasitraka sahady an'tsika miara mivavaka e!fa hoy ny Tenin'ny Tompo ao amin'ny Jakoba 5:16 manao hoe: Koa mifampieke fahotana hianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana hianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon'ny olo-marina an-kafanam-po.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105