Hiara-miasa aminay?

Katolika ve ianao? Malagasy na afaka manoratra sy mamaky teny malagasy? Manana fotoana kely? Vonona hanampy antsitra-po ny Katolika.org? Raha eny no valin'ireo fanontaniana ireo dia afaka miara-miasa aminay ianao.

Ny azo atao ?

Ny ekipan'ny katolika.org dia mitovy aminao koa, namaly ireo fanontaniana ireo tamin'ny "Eny" dia samy mandray izay tandrify azy. Ao ny manoratra toriteny isaky ny alahady (ho an'ny mompera). Ao ny mampiditra hira katolika avy amin'ny fihiràna izay tena ilain'ny katolika any ivelan'i Madagasikara tokoa. Ao ny mandika teny ireo tahirin-kevitra katolika sy mametraka izany eto amin'ny takelaka. Ao ireo mampiditra vavaka hovakiana sy hiainan'ny mpitsidika. Ao ireo manao fanitsiana ny tsipelina amin'ny vakiteny isanandro. Ao ny manangona hira katolika sns. Betsaka ny zavatra azo atao ho fampielezam-pinoana eto amin'ny internet. Mety mahita zavatra hafa azo atao koa aza ianao.

Ny tokony hatao?

Raha vonona ny hiara-miasa aminay ianao dia mandefasa  hafatra amin'ny adiresy contact@katolika.org milazalaza ny momba anao sy ny fiaraha-miasa irinao handraisana anjara. Hamaly anao izahay.

Ny fanaovana azy?

Aza mieritreritra hoe tsy afaka handray anjara ianao satria tsy misy zavatra hainao. Misy hatrany ny zavatra hainao sy ny zavatra azo ampianarina anao... ary ny zavatra azonao atao. Koa aza misalasala ny momba izay. Hatoronay anao ny zavatra azonao atao.

Dia mandray inona?

Hatramin'izao dia manampy antsitra-po avokoa ny ato amin'ny ekipa. Tsy misy fidiram-bola mantsy ny zavatra avoaka eto fa ny any am-paosy aza no mivoaka ho an'ny sasany. Fisaorana lehibe sahady no atolotra ho anao raha vonona hanampy ianao. Inoako fa miara-misaotra anao toa izany koa ireo Katolika maro mitsidika ity takelaka ity. Ary ny tena zava-dehibe dia fandraisana anjara amin'ny asa fampielezana ny Vaovao Mahafaly no ataonao ka Izy ilay naniraka no hamaly soa be anao.

 

Hevitra mandeha

rdrol ( 05/01/2013 11:45)
Miarahaba ny Mpikarakara.
Naika mba hanontany izahay hoe misy fiaraha-miasa na fifanakalozam-baovao ve aminareo sy ny Aumonerie Catholique des Malgaches de France ACMF, na ny filazana ny vaovao momba ny zaikabe fotsiny aza ?
Misaotra indrindra amin'ny valim-panontaniana.
admin ( 25/02/2013 11:57)

rdrol:

Miarahaba ny Mpikarakara.
Naika mba hanontany izahay hoe misy fiaraha-miasa na fifanakalozam-baovao ve aminareo sy ny Aumonerie Catholique des Malgaches de France ACMF, na ny filazana ny vaovao momba ny zaikabe fotsiny aza ?
Misaotra indrindra amin'ny valim-panontaniana.


Tsy misy mivantana aloha, afaka mifandray aminay hatrany ry zareo amin'ny adiresy contact@malagasy.it
Georgekely ( 12/03/2013 16:31)
Izaho dia katolika, mpampianatra amin' ny Sekoly Teknikan' ny Fanjakana ary manontany fanazavana mombany hoe "Oeucuminisme" na hoe "Fiombonana eo anivon' ny Finoana". Dia samia ho tahian' Andriamanitra daholo.
olivierwithjesus ( 27/07/2015 12:31)
Miarahaba ny tompon'andraikitra!

Izaho afaka miara-miasa raha toa ka mifanaraka amin'ny ilainareo. Ity ny adiresiko afahana mifankafantatra bebe kokoa raha ilaina: olivierwithjesus@gmail.com, Facebook: Olivier Kristianina, Tél: 033 02 778 34

Mirary soa, samia ho tahin'Andriamanitra!
siandrytiana ( 22/09/2016 07:20)
Mahita tononkira misy diso za dia inona no tokony hataoko
hery ( 22/09/2016 07:25)

siandrytiana:

Mahita tononkira misy diso za dia inona no tokony hataoko


Salama.

Midira ao amin'ny fihirana http://katolika.org/fihirana

Dia tadiavo ilay hira, rehefa hita ilay hira dia misy hoe [Ahitsio]
Vetsontononkalo ( 23/11/2016 09:57)
hery:


siandrytiana:

Mahita tononkira misy diso za dia inona no tokony hataoko


Salama.

Midira ao amin'ny fihirana http://katolika.org/fihirana

Dia tadiavo ilay hira, rehefa hita ilay hira dia misy hoe [Ahitsio]



Salama tompoko ô,
Ary amin'ny fomba ahoana kay ny fampidirana ny pejy tsy mbola tafiditra azafady
Vetsontononkalo ( 23/11/2016 09:58)
hery:


siandrytiana:

Mahita tononkira misy diso za dia inona no tokony hataoko


Salama.

Midira ao amin'ny fihirana http://katolika.org/fihirana

Dia tadiavo ilay hira, rehefa hita ilay hira dia misy hoe [Ahitsio]



Salama tompoko ô,
Ary amin'ny fomba ahoana kay ny fampidirana ny pejy tsy mbola tafiditra azafady
solomampionona ( 12/12/2016 06:00)
Miarahaba,
Mba misy pejy ahitana ny matoan-dahatsoratra rehetra araka ny taona (ohatra 2016) ve azafady fa te hijery ny matoan-dahatsoratra tany aloha izahay dia tsy afaka mijery avy hatrany fa voatery manao "précédent" be dia be avy amin'ny matoan-dahatsoratra nivoaka ny alahady farany teo. (ohatra ana rohy ahitana azy: http://katolika.org/matoan-dahatsoratra/taona-2016/)

Misaotra mialoha.
drgaby ( 20/10/2019 05:02)
Miarahaba Tompoko,

Mba mangataka ny litorzia amin'ny Sorona Masina ny 25-12-2019 MARAINA (Ny atoandro ihany no hita ao amin'ny Sorona Masina ato ho ato.

Mankasitraka.

Dr Gaby RAKOTONDRABE

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011