Hafatry ny Papa Karemy 2014

Nampiditra : admin
Daty : 13/03/2014

Tonga mahantra izy mba hampanankarena antsika noho ny fahantrany (Jereo II Kor 8, 9)

Ry rahalahy sy anabavy,

Te hanolotra anareo eritreritra vitsivitsy aho, amin'izao karemy izao, mba hanampy anareo ho amin'ny lalan'ny fibebahana, na manokana izany na iarahana. Hanilo ahy amin'izany ny fitenin'i Md. Paoly hoe : "Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin'ny fahantrany." (2 Kor 8, 9) Ny Kristianina tao Korinto no niantefan'ny tenin'ny Apostoly mba hamporisika azy ireo halala-tànana manoloana ireo mpino avy any Jerosalema izay anatin'ny fahasahiranana. Inona tokoa moa no lazain'ireo tenin'i Md. Paoly ireo amintsika kristianina ankehitriny? Inona no dikan'izany fanentanana ho amin'ny fahantrana, fiainana mahantra araka ny Evanjely, izany ho antsika ankehitriny?

Ny fahasoavan'i Kristy

Ireo teny ireo dia milaza amintsika voalohany indrindra hoe ahoana ny fomban'Andriamanitra. Tsy manambara ny tenany amin-kery sy harem-ben'izao tontolo izao Andriamanitra fa amin'ny fomba malefaka sy mahantra : « Izy ilay manan-karena, dia nanaiky hahantra noho isika… ». I Kristy, izay Zanak’Andriamanitra mandrakizay, izay mitovy amin’ny Ray amin’ny heriny sy ny voninahiny, dia tonga mahantra ; nidina tety amintsika, nanaiky niaraka tamintsika tsirairay, nanao tsinotsinona ny tenany, « foana », mba hitovy tanteraka amintsika (jer. Fi 2, 7 ; He 4, 15). Endrey tokoa ny haben’ny misterin’ny Fahatongavan’Andriamanitra ho nofo ! Ny fitiavan’Andriamanitra no anton’izany, fitiavana izay fahasoavana, hamoram-po, faniriana ny hanatona sy tsy misalasala mahafoy, manolo-tena ho an’ireo nohariany sy tiany indrindra. Ny fiantràna, ny fitiavana, dia midika hoe fandraisana anjara tanteraka amin’ny fiainan’ilay tiana. Ny fitiavana dia mampitovy, miteraka fitoviana, mandrava ny rindrin’ny fahalavirana. Izany no nataon’Andriamanitra ho antsika. I Jesoa tokoa dia « niasa tamin’ny tanan’olombelona,  nieritreritra tamin’ny fahaizan’olombelona, nentanin’ny fikasan’olombelona, nitia tamin’ny fon’olombelona. Naterak’i Maria Virjiny izy, ka tonga tahaka ny iray amintsika tokoa, nitovy tanteraka tamintsika, afatsy ny fahotana » (Konsily Vat. II, Gaudium et Spes, n. 22 § 2).

Ny antony nanentana an’i Jesoa ho tonga mahantra dia tsy hoe tsara velively ny fahantrana, fa araka ny nolazain’i Md. Paoly, mba « … hahatonga anareo hanan-karena noho ny fahantrany. » Tsy kilalaon-teny akory izany na endri-pitenenana fotsiny ! Fa mamintina kosa ny lojikan’Andriamanitra, lojikan’ny fitiavana, lojikan’ny Fahatongavana ho nofo sy ny Hazofijaliana. Tsy nalatsak’Andriamanitra avy any ambony akory ny famonjena, tahaka izay ataon’ilay nandrotsaka fanatitra avy amin’ny ambinambiny narahim-pombafomba. Tsy izany ny fitiavan’i Kristy ! Rehefa nidina tao an-dranon’i Joridany i Jesoa ka nataon’i Joany batemy, dia tsy mba ho fanalàna ny  helony no nanaovany izany, na hoe nila fibebahana izy ; fa nataony izany mba ho eo anivon’ny olona izy, ho eo anivon’ireo izay mila famelàna, ho eo anivontsika izay mpanota ka hitondra ny vesatry ny fahotantsika. Izany no làlana nofidiny mba hankahery antsika, mba hamonjena antsika, mba  hanafahana antsika ao anatin’ny fahantrantsika. Manaitra antsika ny tenin’ny Apostoly hoe nohafahana isika, tsy tamin’ny haren’i Kristy, fa tamin’ny alalan’ny fahantrany. Kanefa Md. Paoly dia mahafantatra tsara « ny halalin’ny haren’i Kristy » (Ef 3,8) « izay natsangana ho mpandova ny zavatra rehetra » (He 1, 2).

Koa inona ara ity fahantrana, izay nentin’i Jesoa nanafaka antsika sy nam-panan-karena antsika ity ? Dia izany indrindra no fomba entin’Andriamanitra mitia antsika, entiny manatona antsika, tahaka ilay Samaritanina tsara fanahy izay nanatona ilay lehilahy naratra mafy teo amoron-dalana (jer. K 10, 25). Ny tena manome antsika ny fahafahana marina, ny famonjena marina, ny fahasambarana marina, dia ny fitiavany feno fiantrana, halemem-panahy ary fizaràna. Ny fahantran’i Kristy mampanan-karena antsika dia noho izy tonga nofo, nanaiky ny fahalemen-tsika, ny fahotantsika, ka nanomezany antsika ny famindram-pon’Andriamanitra tsy misy fetra. Ny fahantran’i Kristy no harena lehibe indrindra : Jesoa dia manan-karena fitokisana tsisy fetra amin’ny Ray, afaka matoky azy amin’ny fotoana rehetra, amin’ny fitadiavana hatrany ny sitrapo sy voninahitr’Andriamanitra irery. Manan-karena  izy, tahaka ny maha mpanan-karena ny zazakely izay mahatsapa fa tiana sy tia ny raiamandreniny ary tsy misy fisalasalana akory na kely varaiventy aza mikasika ny fitiavan’izy ireo sy ny hatsaram-pony aminy. Ny haren’i Jesoa dia ny maha-Zanaka azy; ny fifandraisany manokana amin’ny Ray no zo manokana sy faratampon’ilay Mesia mahantra. Rehefa manasa antsika hitondra ny “ziogany izay mora entina” i Jesoa, dia manasa antsika handray anjara amin’izany “fahantrana manankarena” sy “harena mahantra” izay iainany izany, hifampizara aminy ny Fanahy maha-zanaka sy maha iray tampo, mba ho tonga zanaka ao amin’ny Zanaka sy rahalahy, anabavy ao amin’ilay Rahalahy, Anadahy Lahitokana (jer. Ro 8, 29).

Voalaza fa tokana ihany ny tena alahelo, dia ny tsy mba tonga masina (L. Bloy); isika koa dia afaka milaza hoe tokana ny tena fara-fahoriana, dia izay tsy mba afaka miaina amin’ny maha zakan’Andriamanitra sy iray tampo amin’i Kristy

Isika no vavolombelona

Angamba hieritreritra isika hoe mijanona eo amin’i Jesoa ihany izany “làlan’ny fahantrana” izany, ka isika izay aty aoriana, dia afaka hamonjy an’izao tontolo izao amin’ny fomba mba mendrika kokoa. Tsia dia tsia tokoa. Hatramin’izay amin’ny fotoana rehetra sy n’aiza n’aiza dia mbola manohy mamonjy ny olombelona sy izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fahantran’i Kristy Andriamanitra, izay tonga mahantra ao amin’ny sakramenta, ao amin’ny teniny, ao amin’ny Fiangonana, izay vahoaka mahantra. Tsy afaka ho tonga hatraty amintsika amin’ny alalan’ny harentsika ny haren’Andriamanitra, fa tsy maintsy, ary izay ihany, amin’ny alalan’ny fahantrantsika manokana sy ny ankohonantsika, izay velomin’ny Fanahin’i Kristy.

Tahaka ilay Mpampianatra antsika, isika Kristianina koa dia voaantso hijery ny fijalian’ireo rahalahintsika, hikasika azy ireo, handray azy ho eo amintsika ary hiasa tokoa mba hanamaivana azy ireo. Tsy mifanindran-dalana velively ny fahoriana sy ny fahantrana; ny fahoriana dia avy amin’ny fahantrana tsy misy fitokisana, tsy misy fifanampiana, tsy misy fanantenana. Misy karazany telo ny fahoriana: dia ny fahoriana ara-pitaovana, ny ara-pitondrantena ary ny fahoriana ara-panahy. Ny fahoriana ara-pitaovana dia izay antsoina amin’ny ankapobeny hoe fahantrana izay mahavoakasika ireo rehetra miaina ao anaty fiainana mifanohitra amin’ny maha olona: ireo izay tsy manana ny zo fototra sy ny zavatra ilaina fototra tahaka ny sakafo, ny rano, ny fidiovana, ny asa, ny fahafahana mivoatra sy mitombo ara-kolotsaina. Manoloana io fahoriana io dia manolotra fanampiana ny Fiangonana, ny “diakonia”, mba hamaliana ireo filàna sy hitsboana ireo fery manaratsy endrika ny taranak’olombelona. Hitantsika amin’ireo mahantra tsy misy mpiahy ireo ny endrik’i Kristy; amin’ny fitiavana sy ny fanampiana ny mahantra dia i Kristy no tiavintsika sy tompointsika. Ny fanolorantsika tena no mantenana antsika koa mba hanao izay hampitsahatra ireo fanohintohinana ny zo maha olona, ny fanilikilihina sy ny fanamparana izay matetika fototry ny fahoriana. Rehefa ny fitiavam-pahefana, ny voninahitra ary ny vola no lasa sampy tompoina dia ireo indray no mandray ny toeran’ny fifampizaràna mitovy ny harena. Izany indrindra no ilàna ny fiverenan’ny eritreritra amin’ny rariny, ny fitoviana, ny fahatsorana sy ny fifampizarana.

Tsy ambakan’izany koa ny fahoriana ara-pitondran-tena. Mahatonga ny olona ho andevozin’ny haratsiana sy ny fahotana. Firifiry tokoa moa ny fianakaviana izay sahirantsaina satria misy ao amin’ny ankohonany, izay matetika ny tanora, no miankin-doha amin’ny alikaola sy ny zava-mahadomelina, ny kilalao sy ny zavatra mamoafady ! Firifiry ny olona izay tsy manana antom-piainana intsony, tsy misy tanjona intsony ary very fanantenana amin’ny hoavy ! Ary firifiry ireo olona izay voatery miaina tahaka izany noho ny tsy fisian’ny fifandrinidrana ara-drariny eo amin’ny fiaraha-monina, tsy fahampian’ny asa izay tsy mahatonga azy tsy hanana ny hasina mba hitondra ny hanina any antranony, ny tsy fisian’ny fitoviana eo amin’ny zo amin’ny fahabeazana sy amin’ny fitsaboana. Amin’ireo tranga ireo, ny fahoriana ara-pitondran-tena dia azo antsoina hoe fiantombohan’ny famoizam-po. Io endrika fahoriana io izay mahatonga tokoa ny fahasimbana ara-toekarena dia mifandray matetika amin’ny fahoriana ara-panahy izay manjo antsika, rehefa manalavitra an’Andriamanitra isika ka mandà ny fitiavany. Raha toa mihevi-tena isika fa tsy mila an’Andriamanitra, izay manolo-tanana antsika amin’ny alalan’i Kristy, satria mieritreritra ny tenantsika ho mahvita tena, dia miroso any amin’ny làlan’ny tsy fahombiazana. Andriamanitra irery ihany no tena mamonjy sy tena manfaka antsika.

Ny Evanjely no fanafody mahomby hiadiana amin’ny fahoriana ara-panahy: ny kristianina dia entanina hitondra n’aiza n’aiza ilay vaovao mitory fahafahana izay mampatsiahy fa misy ny famelàna ho an’ny ratsy natao, izay mampatsiahy fa Andriamanitra dia lehibe noho ny fahotantsika ka mitia antsika maimaim-poana hatrany, ary izay mampatsiahy fa isika dia nohariana mba hiaina amin’ny firaisana aminy sy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Manasa antsika ny Tompo mba ho mpitondra ampifaliana ny hafatry ny famelan-keloka sy ny fanantenana! Tsara tokoa mantsy ny mihanoka ny fifaliana mampiely izany vaovao mahafaly izany, ny mifampizara ilay harena izay nampitandremana antsika mba hampitony ireo fo maratra sy hanome fanantenana ho an’ireo olona marobe ao anatin’ny hantsana. Ny atao dia ny manara-dia sy maka tahaka an’i Jesoa izay nandeha tany amin’ireo mahantra sy ireo mpanota tahaka ny mpiandry izay nandeha nitady ny ondriny very, ary nandeha tamim-pitiavana. Miray aminy isika no afaka misokatra amin-kerim-po amin’ireo làlana vaovaon’ny fitoriana ny Evanjely sy ny fanatsarana ny maha olona.

Ry rahalahy sy anabavy, ity fotoanan’ny Karemy ity anie mba hahatonga ny Fiangonana ho afaka sy ho vonona hijoro ho vavolombelon’ny hafatry ny Evanjely amin’ireo izay anaty fahoriana ara-batana, ara-pitondran-tena ary ara-panahy; hafatra izay voafehy amin’ny fitoriana ny fitiavan’ilay Ray be indrafo, vonona ny hamihina ny olona rehetra, ao amin’i Kristy. Tsy ho vitantsika izany raha tsy manahaka an’i Kristy isika, izy izay tonga mahantra mba hampanan-karena antsika tamin’ny fahantrany. Ny karemy indrindra no fotoana mety handavan-tena; ary tsara amintsika ny manontany tena hoe inona no azon-tsika afoy mba hanampiana sy hampanan-karena ny hafa amin’ny fahatrantsika. Aza adinoina fa ny fahantrana marina dia mampijaly : ny fandavan-tena tsy misy an’io fibebahana io dia tsy midika inona. Tsy dia atokisako ny fanomezana izay tsy dia misy vidiny sy tsy andrenesana maharary.

Ny Fanahy Masina anie, izay nahatonga antsika ho “mahantra, nefa mampanan-karena ny maro; tsy manana na inona na inona nefa manana ny zavatra rehetra” (2Kor 6, 10), mba hitantana antsika amin’ny fanirina tsara sy hanamafy ao anatintsika ny fiahiana sy ny fandraisana andraikitra manoloana ny fahorian’ny olombelona, mba hahatonga antsika ho be famindram-po sy hiasa ho an’ny famindram-po. Izany firariantsoa izany no itondrako anareo am-bavaka, mba hiaina tsara ny lalan’ny Karemy ny mpino rehetra sy ny ankohonam-piangonana rehetra. Mangataka aminareo koa aho mba hivavaka ho ahy. Hitsodrano anareo anie ny Tompo ary hiaro anareo i Maria Virjiny.

Vatikana,  26 desambra 2013

Fetin’i Md. Etiena, diakra sy martiry

(Dikan-teny: Katolika.org)


 

Hevitra

Bii - 24/03/2014 07:31
Miarahaba tompoko,
Mety ho azo atao ve ny manao impression an'itony hafatra itony, avy hatrany: impression directe na impression sous pdf azafady?
Asa ahoana moa no andikana an'izany amin'ny teny malagasy: hanontana?
Misaotra tompoko
Valio Bii

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0454 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org