Fanoroana

1. admin ( 24/06/2014 11:15)
Ireto ireo valin'ny fanontaniana manitikitika anao. Raha misy fanontaniana hafa dia apetraho ery ambany.
... Tohiny
novalian'i admin ny 02/01/2024 22:26
2. Achem ( 02/10/2014 11:34)
Miarahaba antsika rehetra ! Te hihaino hira aho nefa toa tsy mandeha ilay izy ! Inona no tokony hataoko azafady indrindra Tompoko ? Misaotra
3. posy rary ( 26/01/2015 11:27)
Salama tompoko!
Mikasa ny hanao mariazy katolika izahay @volana febroary 2015, ka mba mangataka fanampiana avy aty aminareo @ famoronana ny litorjia ny Sorona Masina @ le andro MALAZA; Inona avy no tokony ho hita ao antiny.....
Misaotra tompoko!
4. Iavotry ( 19/03/2015 13:33)
Mba hametraka fanontaniana kely tompoko. Fahotana ve ny "Masturbation"?
5. mode071909 ( 02/06/2015 06:24)
Salama tompoko, ny masturbation dia fitadiavana fahafinaretana ara-nofo atao amin'ny tena, ivelan'ny mariazy. Manohatra ny hatsaram-panahin'ny fahadiovana izy; ary ny marina dia asam-pijangajangana atao amin'ny tena izy. Ny katesizin'ny Fiangonana katolika dia maneho mazava fa fitondran-tena tsy mifanaraka araka ny nanaovan'Andriamanitra antsika ny masturbation.
6. iavotra15 ( 02/07/2015 07:01)
Misaotra tompoko!Mankasitraka indrindra!Iavotra
7. modestemampiandra¹ ( 02/07/2015 11:16)
posy rary:

Salama tompoko!
Mikasa ny hanao mariazy katolika izahay @volana febroary 2015, ka mba mangataka fanampiana avy aty aminareo @ famoronana ny litorjia ny Sorona Masina @ le andro MALAZA; Inona avy no tokony ho hita ao antiny.....
Misaotra tompoko!
8. rinahmahenintsoa1 ( 21/11/2015 16:13)
fanontaniana tompoko.aiza no ahitana boky fitarihana litorzia tsy misy pretra?
9. admin ( 21/11/2015 17:38)

rinahmahenintsoa1:

fanontaniana tompoko.aiza no ahitana boky fitarihana litorzia tsy misy pretra?


Tsy misy ve ao amin'ny Vavaka sy Hira?
10. mohammed16 ( 24/01/2016 18:18)

admin:


rinahmahenintsoa1:

fanontaniana tompoko.aiza no ahitana boky fitarihana litorzia tsy misy pretra?


Tsy misy ve ao amin'ny Vavaka sy Hira?
11. nirina10 ( 07/02/2016 12:33)
Mba mangataka aho raha mety oe, azo eritreretina ve ny hisian'ny application "Herin'andro Masina" satria ny litorjia atao amin'ny alina no tena tokon'ny ho atao anaty appareil numerique satria tsy maharaka ny jiro matetika, surtout ho an'ireo missionera any ambany vohitra! Mankasitraka e!
12. theophile.jean ( 15/05/2016 05:21)
Azo ampidirina ho isan'ny hira mikasika ny FANAMBADIANA ilay hoe "IANAO ILAY NANOKANA VAHOAKA" (Hasina 506, Vavaka sy hira 460) - indrindra ny andininy faha-5.

Mety ny hahalalan'ny maro azy koa anefa ny hoe "MBA TSAROVY HATRANY, TOMPO O" ka tsara raha atao amin'ny fitadiavana hira.

Misy diso anefa ny andininy voalohany raha ny fitadidiako ny "Ankalazao ny Tompo 1" fa toy izao no fahalalako azy :
1. Ianao ilay nanokana vahoaka
Sy nanolotra ny tananao taminy
...

Miala tsiny indrindra raha diso ny fitadidiako.
13. primo.rakout ( 01/09/2016 07:31)
sasllama tompoko saika mba angataka ny fombafomba fihetsika sy ny teny atao rehefa mankallaza ny sakramentan'ny batemy.
misaotra indrindrda o!
14. Landy06 ( 05/09/2016 07:01)
Miarahaba ! Misy vavak'i Md Josefa izay fa @ teny frantsay no hitako "Je vous salue Joseph" no lohateny.Mba misy @ teny Malagasy ve?Raha misy dia mba omeo izaho azafady.Misaotra tompoko, mirary herinandro omban'ny Fitahian'ny Tompo hatrany ho antsika rehetra.
15. raemmkelly ( 22/03/2017 10:15)
salama tompoko. Misy aminareo ve hafaka manome ahy ny sata mifehy ny chorale na tafika eto amin'ny diosezy, na afaka manoro ahy ny tokony ataoko mba hahazoako izany? misotra mialoha
16. drgaby ( 06/07/2017 16:24)
Miarahaba tompoko,

Mametraka fanamarihana kely : tsy hita ao amin'ny sorona masina ato ho ato ny litorzia amin'ny alahady faha 18 mandavantaona, ny 06 Aogositra.

Misaotra tompoko

Dr Gaby
17. drgaby ( 06/07/2017 16:36)
Mbola manao azafady indray mandeha fa hanao fanamarihana :

Ny lamesa amin'ny 15 Aogositra (Assomption) ao amin'ny sorona masina ato ho ato dia misy lohateny tahak'izao :
Sorona Masina ny 15/08/2017
ALAHADY VOALOHANY - Taona B fiavian’ny Tompo.

Misaotra Tompoko

Dr Gaby
18. Soa19 ( 11/07/2017 23:45)
Bonjour.
Obligatoire ve no mamaky soratra masina ny jour du mariage ?!
Merci
19. TKO3399 ( 29/09/2020 08:20)
Salama Tompoko,
Izao dia mpikambana vaovao ka saika mba anontany oe "ahoana kay azafady no ijerevana ny Olomasina tompon'ny Fety androany"?
Misaotra indrindra Tompoko.
20. admin ( 02/01/2024 22:26)
TKO3399:
Salama Tompoko,
Izao dia mpikambana vaovao ka saika mba anontany oe "ahoana kay azafady no ijerevana ny Olomasina tompon'ny Fety androany"?
Misaotra indrindra Tompoko.


Efa azonao jerena ao amin'ny https://katolika.org/olomasina (mandehana eo amin'ny Tahiry -> Olomasina)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198