Hira Litorjia

1. admin ( 17/01/2013 07:14)
Hira fampiasa amin'ny Litorjia
Hampiditra hira... Tohiny
2. sajc ( 17/01/2013 07:14)
Bonjour
mangataka raha azo atao amin'ny fandalinampinoana ny valin'ity fanontaniana ity
Inona no antony hanaovana ny angelus amin'ny 6 ora maraina, 12 ora atoandro sy amin'ny 6 ora hariva
3. sajc ( 17/01/2013 07:16)
mba asivo version pdf azo telechager ny tononkira sy version mp3 azo telecharger
merci
4. admin ( 17/01/2013 07:48)
Ampidiro ao amin'ny http://katolika.org/forum/topic/t4fd1d890b6608 ny fanontaniana momba ny fandalinam-pinoana.

Momba ny hira amin'ny pdf dia hojerena.

Ilay resaka mp3 mbola somary manahirana.
5. sajc ( 24/01/2013 12:09)

admin:

Ampidiro ao amin'ny http://katolika.org/forum/topic/t4fd1d890b6608 ny fanontaniana momba ny fandalinam-pinoana.

Momba ny hira amin'ny pdf dia hojerena.

Ilay resaka mp3 mbola somary manahirana.
6. aiinah ( 06/02/2013 06:29)

sajc:

Bonjour
mangataka raha azo atao amin'ny fandalinampinoana ny valin'ity fanontaniana ity
Inona no antony hanaovana ny angelus amin'ny 6 ora maraina, 12 ora atoandro sy amin'ny 6 ora hariva

Salama! araka ny fahalalako azy amin'ny maha-katolika ahy, dia satria ireo ora ireo no oran'ny jody. Ary taloha, dia tsy 12 ora no nikaotiana azy fa 6 ora. Misy manazava an'io ao @ Baiboly, fa aleo jereko ny toko sy andininy dia homeko anao eto
7. Tahina-lea ( 09/03/2013 12:14)
Salama daholo! Ho atao any Madagasikara ny fanamasinana ny fanambadianay, fa efa manomana ny rehetra izahay izao avy aty Frantsa. Ka isan'izany ny boky fihirana ao am-piangonana. Ny olana dia tsy manana lay fizotry ny lamesa fanamasinana an-tanana izahay: fidirana, fifonana, fifanomezan-toky, sns. Koa mba miangavy izay afaka hanome anay an'io anie. Misaotra mialoha.
8. aiinah ( 11/03/2013 06:20)

Tahina-lea:

Salama daholo! Ho atao any Madagasikara ny fanamasinana ny fanambadianay, fa efa manomana ny rehetra izahay izao avy aty Frantsa. Ka isan'izany ny boky fihirana ao am-piangonana. Ny olana dia tsy manana lay fizotry ny lamesa fanamasinana an-tanana izahay: fidirana, fifonana, fifanomezan-toky, sns. Koa mba miangavy izay afaka hanome anay an'io anie. Misaotra mialoha.


Salama! arakaraka ilay pretra ny fandaharam-potoana fa raha ny tokony ho izy dia ahitana ireto:

- Feon-kira fidiran'ny mpivady
- Hira fidirana
- Hira fifonana
- Voninahitra ( raha anatin'ny Karemy dia tsy misy fa raha manomboka @ paque ilay date dia misy io)
- Fankalazana ny tenin'Atra (Raha ny tokony ho izy dia ny tenin'Atra fidianareo 2, ary ianareo 2 no mifandimby mamaky ny vakiteny 1 sy Vakiteny 2)
- Salamo fandinihina: mifaraka amin'ilay vakiteny 1-2
- Aleloia
- Toriteny + Fanamasinana ny fanambadianareo
- Fiekem-pinoana
- Ranombavaky ny Mpino
- Rakitra
- Fanolorana
- Masina
- Fihobiana
- Rainay any an-danitra
- Zanak'Ondry
- Komonio
- Fisaorana
- Fandraisanareo fitenenana fisaorana ny pretra na ny solotenan'ny fianakaviana
- Fanirahana
9. Tahina-lea ( 11/03/2013 06:46)

Misaotra betsaka anao ry Aiinah namaly. Tena hanampy be anay io.
Mirary herinandro sambatra. Tahina
10. aiinah ( 11/03/2013 06:56)
Tsy misy tokony isaorana, fa mahaiza mifidy hira e!
Dia mirary soa anareo ho tongasoa izany andro lehibe @ fiainanareo izany, dia mba ho tojo soa amin'ny tanjona iriana.
Aza adinoina mandrakariva ny mivavaka, satria raha tsy Atra, dia tsy ahefa na inona na inona isika.
Mirary soa indrindra

Aiza no paroasy hanamasinana ny fanambadiana? Raha toa ka tsy mahita liturjiste, afaka miteny ihany koa, dia atoroko liturjiste Diosezy f za ao anatiny
11. Tahina-lea ( 11/03/2013 08:45)

Misaotra anao amin'ny firariantsoa. Ny fonay sy ny sainay dia efa vonona. Ny fikarakarana dia somary enjana ihany fa araka ny teninao teo dia hoe mivavaka isan'andro. Ny halaviran-tany koa eo satria any Madagasikara no ho atao. Ary dia tena hitanay fa nanampy anay tokoa izany. Ao amin'ny fiangonana Marovoay Centre izahay no handray ny sakramentan'ny fanambadiana.
12. alsonlionel ( 26/03/2013 12:55)
Miarahaba antsika rehetra,

Fa lasa aiza ny hira sy ny mpihira no tsy hita?, tsy izany fa saika mba haka tonon-kira izahay nefa tsy nisy na iray aza.

Misy afaka mba mampiditra v?, tsy voatery izay ilainay fa izay afaka ampidirina rehetra satria tsy maintsy misy mila foana izay hira ampidirinareo ao.

Efa nanadrana ampiditra aho dia lazainy oué : "Azafady, tsy afaka hijery ao amin'ny katolika ianao ", inona no tokony atao?

Misaotra indrindra.
13. aiinah ( 26/03/2013 13:08)
salama!

Ao ny hira ka. Miditra @ hira litorjia ianao raha hijery, ary ao amin'ny hira hohenoina raha te hihaino.

Raha hampiditra lahatsoratra kosa, dia mbola mila mresak @ admin.


alsonlionel:

Miarahaba antsika rehetra,

Fa lasa aiza ny hira sy ny mpihira no tsy hita?, tsy izany fa saika mba haka tonon-kira izahay nefa tsy nisy na iray aza.

Misy afaka mba mampiditra v?, tsy voatery izay ilainay fa izay afaka ampidirina rehetra satria tsy maintsy misy mila foana izay hira ampidirinareo ao.

Efa nanadrana ampiditra aho dia lazainy oué : "Azafady, tsy afaka hijery ao amin'ny katolika ianao ", inona no tokony atao?

Misaotra indrindra.
14. SAMLANDY ( 08/04/2013 08:36)
salamary mpikaraka!
Te hanampy anaraeo amin'ity asa fitoriana vaovao Mahafaly ity za,ahoana no azoko atao?
Omeo daholo ny ao atao de za misafady.
Nahoana kay isika no manao arahaba ny Maria be dia be fa tsy ny Rainay any an-danitra amin'ny chapelet
15. admin ( 08/04/2013 08:41)

SAMLANDY:

salamary mpikaraka!
Te hanampy anaraeo amin'ity asa fitoriana vaovao Mahafaly ity za,ahoana no azoko atao?


Jereo eto fa ao no misy ny zavatra azonao isafidianana dia lazao ihany izahay: http://katolika.org/hiara-miasa

SAMLANDY:

Omeo daholo ny ao atao de za misafady.
Nahoana kay isika no manao arahaba ny Maria be dia be fa tsy ny Rainay any an-danitra amin'ny chapelet


Zavatra mahaliana tokoa izany ka tsara raha apetrakao vaovao ato ny fanontaniana: TSindrio eto http://katolika.org/forum/message/new/t4e698ffb57d55

16. romuleg ( 07/05/2013 14:18)
Tsara be ny tranokala fa tena mankasitraka.
Ny fanontaniako dia rahoviana no hisy fihirana katolika azo atao amin'ny finday.
Mety foana io fa fihirana vaovao na hasina na vavaka sy hira.
Dia mirary soa indrindra
17. admin ( 07/05/2013 14:27)
Manahoana,

Rehefa mahazo hira maromaro ato izahay dia havadika finday ilay izy.
Mampidira hira aloha ary e.
18. dinaroge ( 13/08/2013 11:17)
salama daholo o, raha tsy diso aho tsy ampy kely io litorjia io e. ny fanaterana voninkazo eny amin i Masina Maria mbola tsy ao.
19. rakotoarisonmilantozeze ( 05/12/2014 15:15)

sajc:

Bonjour
mangataka raha azo atao amin'ny fandalinampinoana ny valin'ity fanontaniana ity
Inona no antony hanaovana ny angelus amin'ny 6 ora maraina, 12 ora atoandro sy amin'ny 6 ora hariva
20. rakotoarisonmilantozeze ( 05/12/2014 15:18)
06maraina fanoloranan'iAndro
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135