Bonjour
mangataka raha azo atao amin'ny fandalinampinoana ny valin'ity fanontaniana ity
Inona no antony hanaovana ny angelus amin'ny 6 ora maraina, 12 ora atoandro sy amin'ny 6 ora hariva
Salama! araka ny fahalalako azy amin'ny maha-katolika ahy, dia satria ireo ora ireo no oran'ny jody. Ary taloha, dia tsy 12 ora no nikaotiana azy fa 6 ora. Misy manazava an'io ao @ Baiboly, fa aleo jereko ny toko sy andininy dia homeko anao eto
Salama daholo! Ho atao any Madagasikara ny fanamasinana ny fanambadianay, fa efa manomana ny rehetra izahay izao avy aty Frantsa. Ka isan'izany ny boky fihirana ao am-piangonana. Ny olana dia tsy manana lay fizotry ny lamesa fanamasinana an-tanana izahay: fidirana, fifonana, fifanomezan-toky, sns. Koa mba miangavy izay afaka hanome anay an'io anie. Misaotra mialoha.
Tsy misy tokony isaorana, fa mahaiza mifidy hira e!
Dia mirary soa anareo ho tongasoa izany andro lehibe @ fiainanareo izany, dia mba ho tojo soa amin'ny tanjona iriana.
Aza adinoina mandrakariva ny mivavaka, satria raha tsy Atra, dia tsy ahefa na inona na inona isika.
Mirary soa indrindra
Aiza no paroasy hanamasinana ny fanambadiana? Raha toa ka tsy mahita liturjiste, afaka miteny ihany koa, dia atoroko liturjiste Diosezy f za ao anatiny
Misaotra anao amin'ny firariantsoa. Ny fonay sy ny sainay dia efa vonona. Ny fikarakarana dia somary enjana ihany fa araka ny teninao teo dia hoe mivavaka isan'andro. Ny halaviran-tany koa eo satria any Madagasikara no ho atao. Ary dia tena hitanay fa nanampy anay tokoa izany. Ao amin'ny fiangonana Marovoay Centre izahay no handray ny sakramentan'ny fanambadiana.
salamary mpikaraka!
Te hanampy anaraeo amin'ity asa fitoriana vaovao Mahafaly ity za,ahoana no azoko atao?
Omeo daholo ny ao atao de za misafady.
Nahoana kay isika no manao arahaba ny Maria be dia be fa tsy ny Rainay any an-danitra amin'ny chapelet
Tsara be ny tranokala fa tena mankasitraka.
Ny fanontaniako dia rahoviana no hisy fihirana katolika azo atao amin'ny finday.
Mety foana io fa fihirana vaovao na hasina na vavaka sy hira.
Dia mirary soa indrindra