hitady tononkira

1. rafangotsohana ( 29/10/2012 11:45)
Izaho dia mpikambana ao @ Antoko Mpihira iray eto Antananarivo, ka mba mitady tononkira.Efa ela be mitsy za no nitady ny tonon'ilay hira hoe "Sahy manolotra ny ainy, ho an'ny ondriny rehetra, no mpiandry ondry tsara"
Sao de mba misy mahay an'io hatr@ ny farany fa tiako ampianarina ny chorale misy ahy izy io.
2. folojona ( 26/04/2013 05:40)
SALAMO 22
Sas : Sahy manolotra ny ainy
ho an’ny ondriny rehetra,
Ny Mpiandriondry tsara :
ka ny Rany sy ny Tenany
dia foiny manontolo
ho sakafon’izy ireny


1- Izy Tompo no Mpiandry
Izaho kosa ondry fiandriny tsy mba orin’inona na inona
ary vilo—maintso hatrany no ampialany sasatra ahy

2- Moron—drano mahatony,
no itondrany ahy hatrany; mahavelom—bolo ery,
ary lalam—pahamarinana no itarihany ny diako
ho voninahitry ny Anarany

3- Raha mandalo lohasaha,
Iohasaha mahafaty, dia tsy misy atahorako,
fa eo Ianao aman—tehina sy kibay miaro ahy

4- Ny fahavalo manoloana,
izaho rosoanao sakafo, ary indro ianao manosotra
diloilo izany Iohako, ka safomorona ny zingako :
henin—kasambarana aho.

5— lndrafo sy hasambarana
no mambomba ny androm-piainako, ao an—tranon'lzy Tompoko
honenako hatrany amin’ny androko rehetra.

6- Ho an’ny Ray Tompontsika,
Tompontsika ondry tiany ;ho an’ny Zanaka Mpiandry;
ho an’ilay Fanahy Masina Mpizarazara rano velona :
Voninahitra sy dera
3. belalah822015 ( 22/04/2015 12:36)

rafangotsohana:

Izaho dia Filoha ao @ Antoko Mpihira iray avy aty Majunga, ka mba mitady tononkira.Efa ela be mihitsy za no nitady ny tonon'ilay hira hoe "Nandositra lavitra anao ilay ondry nania sahisahy
Ianao anefa tsy mba nandao ry Jesoa malemy fanahy !
Sao de mba misy mahay an'io hatr@ ny farany fa tiako ampianarina ny chorale misy ahy izy io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0939