SALAMO 22
Sas : Sahy manolotra ny ainy
ho an’ny ondriny rehetra,
Ny Mpiandriondry tsara :
ka ny Rany sy ny Tenany
dia foiny manontolo
ho sakafon’izy ireny
1- Izy Tompo no Mpiandry
Izaho kosa ondry fiandriny tsy mba orin’inona na inona
ary vilo—maintso hatrany no ampialany sasatra ahy
2- Moron—drano mahatony,
no itondrany ahy hatrany; mahavelom—bolo ery,
ary lalam—pahamarinana no itarihany ny diako
ho voninahitry ny Anarany
3- Raha mandalo lohasaha,
Iohasaha mahafaty, dia tsy misy atahorako,
fa eo Ianao aman—tehina sy kibay miaro ahy
4- Ny fahavalo manoloana,
izaho rosoanao sakafo, ary indro ianao manosotra
diloilo izany Iohako, ka safomorona ny zingako :
henin—kasambarana aho.
5— lndrafo sy hasambarana
no mambomba ny androm-piainako, ao an—tranon'lzy Tompoko
honenako hatrany amin’ny androko rehetra.
6- Ho an’ny Ray Tompontsika,
Tompontsika ondry tiany ;ho an’ny Zanaka Mpiandry;
ho an’ilay Fanahy Masina Mpizarazara rano velona :
Voninahitra sy dera |