N'inon'inona hitranga

1 N'inon'inona hitranga;
 N'inon'inona hanjò, ô Jesoa ô;
       Vonona aho lalandava
       Ny hanara-dia anao, ô Jesoa ô,

 N'aiza n'aiza no haleha,
 Na ho mafy na hangidy, ô Jesoa ô,
       Raiso re ny safidy
       Fa atokako ho anao, ô Jesoa ô.

Matoky aho, Jesoa ô, miaraka aminao,
Ka indro omeko ny fitiavako;
Tsy hisaraka aminao no faniriako,
Ho eo anilanao mandra-pahafatiko.
Raiso re, Jesoa ô, ity tenako                    )
Ho mpanomponao, Jesoa ô, 'zay finidiko. ) (indroa)

2 Adin-tsaina tsy hita isa
 Mampanonja ny fiainako, ô Jesoa ô,
       Vonona aho lalandava
       Ny hanara-dia anao, ô Jesoa ô;

 Be koa ny fahavalo
 'Zay manakana ny lalako, ô Jesoa ô,
       Raiso re ny safidy
       Fa atokako ho anao, ô Jesoa ô.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 117
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2005