Be ny vokatra, Tompo ô

Be ny vokatra, Tompo ô,
Ny mpiasa, ny mpiasa no vitsy e:
Mitalaho, mitalaho aminao e,
Aniraho, aniraho mpiasa ny sahanao e.

1 Aniraho mpiasa ny sahanao e, ny Fiangonanao e,
 Omeo pretra sy relijiozy e ny vahoakanao e.

2 Ny fianakaviana omeo finoana ho mendrika anao e,
Fa ny hazo tsara no ahitana ny voa tsara.

3 Sarotra ho an'ny mpanankarena ny ho voavonjy e,
Ny maro tanora voaantsonao e, omeo hery e.

4 Ny porofom-pitiavana ambony indrindra voalazanao e:
Ny mahafoy ny ainy ho an'ny tiany tahaka anao.

5 Ifidiano pretra sy relijiozy e ny eto aminay e,
 Asaovy mandray ny fitiavanao e ny ray aman-dreny e.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 111
Fihirana Vaovao p. 175
Vavaka sy Hira p. 527
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212