'Zaho ('zahay) miarahaba

1 'Zaho/'Zahay miarahaba
 Sy mankalaza anao,
 Tompovavin'ny lanitra
 Sy ny tany rehetra.

O, ry Maria Reninay, ivavaho 'zahay
Anio, isan'andro ary mandrakizay.

2 Be ny hasinao, Reny,
 Avo ny lazanao;
 Ianao hasoavina
 Noho ny namanao.

3 Mba mpanota daholo
 Izahay, ry Maria.
 Raha tsy ianao re
 Very izahay rehetra.

4 Rahefa ho faty izahay
 Raiso fa zanakao:
 Hoentinao any an-danitra
 Tany andrasanay.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 126
Fihirana Hasina p. 87
Fihirana Vaovao p. 308
Vavaka sy Hira p. 610
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094