Mba fotsy manjopiaka

1 Mba fotsy manjopiaka 'ty rahona avo ity:
 Izy mivalombalona an-tampon-dohako.

Misononoka tsara ny fiondranako:
Maria, tariho aho hitody aminao.

2 'Zahay be fahotana, matoky ny fonao,
 Fa ianao manarina ny malahelo fo.

3 Ny zanakao mazoto, mikasa sy manao
 'Zay hatsaram-panahy ampianarinao.

4 Arovy ny tanora, tariho ny fonay,
 Ny tananao amparo handray ny zanakao.

5 Be ny fanangolena mamandrika ny fo,
 Tariho re, ry Reny, ny dianay rehetra.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 129
Fihirana Hasina p. 82
Fihirana Vaovao p. 420
Vavaka sy Hira p. 593
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093