Asio voninkazo ny lapan'i Maria

1 Asio voninkazo ny lapan'i Maria;
 Ka mba atolory azy ny hajan'ny fontsika.

Maria, indro ny fonay sy ny fideranay e,
Aterin'ny anjely eo anatrehanao.

2 Virjiny nofinidy ho Renin'i Jesoa,
 'Zahay te hankasitraka ny Fon'ny Zanakao.

3 'Zahay be fahotana, matoky ny fonao,
 Fa ianao manarina ny malahelo fo.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 134
Fihirana Hasina p. 81
Fihirana Vaovao p. 423
Vavaka sy Hira p. 586
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1374