Aterinay anatrehanao, Reny

1 Aterinay anatrehanao, Reny,
 Ny saotra ataon'ny fonay aminao:
 Arovinao izahay mbola osa
 Fa mandry izay miankina aminao.
 Raha izahay sendra mivily lalana,
 Ka hosimb
àn'ny tafik'i Satàna:
 Reny miantra, atreho izahay e, )

 Ny tananao no mahafaka anay. ) (indroa)

Tompovavin'ny Malagasy,
Mamindrà fo aminay zanaka,
Ianao no tsaroanay ao am-ponay,
Amin'ny andro ratsinay:
Mba vonjeo 'zahay, Virjiny,
Reny mora fo sy miantra, Virjiny miantra.

2 Ianao any no mahita ny rofy
 Hanjò anay sy handrendrika anay;
 Sakano re izy, Reny mahery,
 Fa fantatrao ny fahelemenay.
 Maro izay mitaona anay hiala
 Ao aminao sy amin'ny Eglizy;
 Tano 'zahay, Maria mpamindra fo, )
 Fa ny fonay tsy mahafoy anao.      ) (indroa)

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 126
Fihirana Hasina p. 80
Fihirana Vaovao p. 416
Vavaka sy Hira p. 604
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099