Nandao anao ela aho, Raiko ô

1 Nandao anao ela aho, Raiko ô,
 'Zao dia te hody aho
 Maniry hiankina an-tratranao
 'Zao dia te hody aho.

'Ty tamy aho, Raiko malala ô, 
Raiso ny tanako!
'Ty tamy aho, Raiko malala ô,
Raiso ny tanako!

2 Maniry hanana fiadanam-po
 'Zao dia te hody aho
 Sy mba hivesatra ny zioganao
 'Zao dia te hody aho.

3 Itambesaran'ny ota natao,
 'Zao dia te hody aho
 Matoky anefa fa horaisinao
 'Zao dia te hody aho.

4 Raha tsy mendrika ny ho zanakao,
 'Zao dia te hody aho
Ataovy ho isan'ny mpanomponao
 'Zao dia te hody aho.

5 Indro fa tazako ny sandrinao,
 'Zao dia te hody aho
 Mitsotra mba hisakambina re
 'Zao dia te hody aho.

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 69
Fihirana Vaovao p. 135
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1048