Ianao no Piera solontenan'izy Tompo

Ianao no Piera solontenan’Izy Tompo
Mampiray ny Fiangonana maneran-tany e
Ho ela velona, ianao Filohanay
Hiadam-pinaritra ny firenena

1-      Ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra
Milaza fa nofidin’ny Tompo ianao
Hitondra ny vahoakan’Andriamanitra
Hanompo fa tsy hotompoina

2-      Ny zanak’ondrin’ilay Mpiandry tokana
Matoky anao mba hofahananao
Tadidinay ny hafatr’Izy Tompo
Izany no anarahanay anao

3-      Ny finoanao nivavahan’Izy Tompo
Tsy hiova na hivadibadika
Adidinao ny mijoro hankahery
Ny rahalahy sy anabavinao

4-      Ho resinay ireny herin’ny maizina
Izany no voalazan’i Kristy
Tsy rendriky ny onja sy tafiotra
Ny sambonao ry mpanarato ô

5-      Kristy ô, ry Tompon’ny Fiangonana
Misaotra fa eto aminay Ianao
I Piera sy ny Apôstôlinao ve?
Ny dimbiny no anankinanao anay

Nampiditra DayAnd
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 508
Fihirana Vaovao p. 205
Vavaka sy Hira p. 788
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0331