Indro ny Tompo Mpanjakantsika fa tamy

Indro ny Tompo Mpanjakantsika fa tamy,
I Kristy Mpamonjy antsika no tamy,
Indro 'lay Tompo Andriamanitsika fa tamy,
Indro Kristy Tompo fa tamy! (indroa)

1 Indro ny Tompo Andriamanitsika fa miroso ka avy amin-kery,
 Izy mahery ka herin-tsandry no hizakany ny tany tontolo:
 He ireto babony sy fanevany misava ny lalan-kombàny!
        Indro Kristy Tompo fa tamy! (indroa)

2 Toy ny mpiandry izy miantso ny ondriny hiraotra ny vilona an-tsaha,
 Raisiny an-tanany dia trotroiny 'zay madinika mbola minono,
 Entiny mora ny reniondriny fa tsy mba dodosany akory!
        Indro Kristy Tompo fa tamy! (indroa)

3 Iza no hamatra ny ranomasina eo an-tanany tahaka ny Tompo?
 Na mahazehy iny lanitra iny, mahafatra ny vovoka am-bata?
 Iza no handanja ny tendrombohitra, hahatatitra havoana holanjaina?
        Indro Kristy Tompo fa tamy! (indroa)

4 Zovy no efa nanoro hevitra, nanilo fanahy azy Tompo?
 Ary nitsangan-kanolo-tsaina hidinihany sy hampianatra azy?
 Taiza ny Tompo no nila olona hanambara izay tokony hataony?
        Indro Kristy Tompo fa tamy! (indroa)

5 Sa nisy koa nampianatra azy hahalala ny hoe fahendrena?
 Z'inona anefa ny firenena fa tsy fasika ambony mizana,
 Ary ny nosy, 'reo nosy maro moa tsy vovo-misidina foana?
        Indro Kristy Tompo fa tamy! (indroa)

6 Fongotra ny ala natao kitay, zary mangadihady i Libàna,
 Tapitra ringana koa ny biby, nefa tsy ampy ny sorona vita.
 Eo anatrehan'ny Tompontsika tsinontsinona ny firenena!
        Indro Kristy Tompo fa tamy! (indroa)

7 Ray ô, endrey 'ty fitiavanao 'zay nasehon'ilay Zanakao:
 Resiny 'lay nanandevo anay: izao vahoaka voafidy izahay!
 Vavolomebelona ny Fanahy, ka ny fotoana no andrasanay
        Indro Kristy Tompo fa tamy! (indroa)

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 224
Fihirana Dera p. 220
Fihirana Hasina p. 31
Fihirana Vaovao p. 523
Vavaka sy Hira p. 405
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093