Efa manana Mpisorombe

1 Efa manana Mpisorombe              
 Niakatra namakivaky lanitra isika, 
 Efa manana Mpisorombe              
 Niakatra namakivaky lanitra isika, 

 Jesoa Zanak'Andriamanitra.
 Ka aoka ho tanantsika tsy hivaona ny finoana
 Efa nankatoavintsika!

Fa manana Mpisorombe mangoraka isika
Mpisorona itokisana, fa sitraky ny Ray! 
Fa manana Mpisorombe mangoraka isika
Mpisorona itokisana, fa sitraky ny Ray! 

2 Tsy Mpisorombe tsy afaka                               
 Mangoraka ireo halemena izay mpahazo antsika 
 
Tsy Mpisorombe tsy afaka                               
 Mangoraka ireo halemena izay mpahazo antsika 

 Fa Mpisorona efa niaritra
 Ny mafy tamin'ny zavatra rehetra toa antsika;
 Nefa kosa tsy nanota!

3 Koa handroso am-pitokisana            
 Hanatrika ny seza fiandrianany isika, 
Koa handroso am-pitokisana            

 Hanatrika ny seza fiandrianany isika,

 Mba ho sitrak'Andriamanitra
 Hahazo ny indrafony mba ho famonjena antsika,
 Amin'ny andro ilana izany!

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 243
Fihirana Dera p. 255
Fihirana Hasina p. 30
Vavaka sy Hira p. 448
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087