Sambatra aho satria navotanao

Sambatra aho satria navotanao, ry Ray,
Eo an-tananao anio, mandrakizay,
Hiaraka hankalaza amin'ny anjely soa
Any an-danitrao izay honenako.

1. Tsy hitsahatra aho fa hihira hoe:
   "Hôzana ho anao, ry Tomponay Iaveh!"
   Koa inty aho tonga hidera anao.

2. Omeko anao ny tenako tontolo,
   Raiso re ho anao fa sitrako tokoa
   Koa inty aho tonga hidera anao.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 25
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088