'Ndreto izahay, ry Andriamanitra, hamonjy lamesa

1 'Ndreto izahay,
 Ry Andriamanitra,
 Hamonjy Lamesa,
 Hidera anao, Ray.
 
2 Ekenay, Tompo,
 Ny fahefanao.
 Ny sorona anio
 No fiderana anao.
 
3 Be ny zava-tsoa
 Nomenao anay
 Misaotra anao, Tompo,
 Ireto zanakao.
 
4 Mifona izahay
 Be ny otanay
 Ny Ranao, ry Jesoa,
 No hery mahavonjy.
 
5 Ny herinao ihany
 No ho tokinay;
 Mitalaho mafy
 Ampio izahay.


 
 

 

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 632
Vavaka sy Hira p. 724
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2334