Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao
Mitoria ny Evanjely
Amin’ny voaary rehetra

1- Mankahalà izao tontolo izao,
     na dia ny ainao aza;
     Manatòna Ahy ianao,
     dia ho tena mpianatro

2- Mitondrà ny hazofijaliana 
     entina hanavotra anao
     Manaraha Ahy ianao,
     dia ho tena mpianatro


3- Irahiko ianao hitondra famonjena
     hahafoy izay rehetra anananao
     Hanome sira tsiro ho fanasina,
     dia ho tena mpianatro

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 774
Fihirana Vaovao p. 99
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009