Ndeha hiroso izahay fa tsy hiverina

 

1- 'Ndeha hiroso izahay fa tsy hiverina
    Ny hikatsaka ny ho avy no heverina
    Hikatsaka lay tena fahendrena
    Ka ny any ambony ihany no kendrena
    Raha tany ianareo ka manimanina
    Ny kintana no sisa mba tazanina
    Jesoa, Jesoa, Jesoa no tiako e e!
    Jesoa, Jesoa, Jesoa no tiako e e!

2- ‘Ndeha hisidina ny vorona ary elatra
    Ka hanidina handalo toy ny tselatra
    Fa ny masoandro mody tsy azo tanana
    Na diavolana baliaka sy fenomanana
    Raha tany ianareo ka manimanina
    Ny kintana no sisa mba tazanina
    Jesoa, Jesoa, Jesoa no tiako e e!
    Jesoa, Jesoa, Jesoa no tiako e e!

3- Raha ho aizina mikitroka no ho diavina
    Jesoa Tompo no hitokiana sy hotiavina
    Na ho sarotra ny làlana any ambadika
    Ny fitiavana voasedra tsy mba mivadika
    Raha tany ianareo ka manimanina
    Ny kintana no sisa mba tazanina
    Jesoa, Jesoa, Jesoa no tiako e e!
    Jesoa, Jesoa, Jesoa no tiako e e!

4- Ny eto an-tany anie mandalo sy mbola hifarana
    Fa ny tia manompo ny hafa ihany no hasambarana
    Mifankatiava hoy ny hafatra nambarany
    Rehefa tia dia tena tia hatramy farany
    Raha tany ianareo ka manimanina
    Ny kintana no sisa mba tazanina
    Jesoa, Jesoa, Jesoa no tiako e e!
    Jesoa, Jesoa, Jesoa no tiako e e!

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 630
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217