Ray ô mahatalanjona, endrey, ny asanao ry Ray

Ray ô mahatalanjona
Endrey, ny asanao ry Ray
Mahate-hibanjina ry Ray
Ny soa vitanao.
1- Isaorako Anao, izao tontolo izao
Fa harintananao, asanao, ry Ray
Isaorako Anao, ny olombelona
Fa aina avy aminao, asanao, ry Ray.
2- Isaorako Anao, voaavotra e zahay
Fa irakao, ry Ray, ‘lay zanakao ho anay
Isaorako Anao namindra fo taminay
E, sambatra izahay, asanao, ry Ray.
3- Isaorako Anao, ‘zay nampiray anay
Fa irakao ry Ray, ilay Fanahy ho anay
Isaorako ny Ray, ‘zay nampiray anay
Dera anie ho Anao, anio, mandrakizay
Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Fihirana Hasina p. 678
Karine Dera p. 453
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0483