Rehefa / Rahefa tonga ny fotoana dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany

Sas. : Rehefa tonga ny fotoana
dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany
Nateraky ny Virjiny


Isaorana indrindra Ianao
Ry Tompo Andriamanitry ny razana
Fa mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay

Isaorana ny Anaranao
Fa masina be voninahitra
Ka mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay

Isaorana indrindra Ianao
An-tempoly be voninahitra
Fa mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay

Isaorana indrindra Ianao
Ambony fiketraham-panjaka
Fa mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay

Isaorana indrindra Ianao
Mahatsinjo ny halalin’ny hantsana
Fa mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay

Isaorana indrindra Ianao
Mipetraka ambony kerôbima
Fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay

Isaorana indrindra Ianao
Manerana tany aman-danitra
Fa mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Ankalazao ny Tompo p. 386
Fihirana Vaovao p. 313
Vavaka sy Hira p. 414
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092