Ankalazao ny Tompo fa tsara fo

Fiv: Ankalazao ny Tompo, fa tsara fo ny Tompo:
       Satria mandrakizay e - ny famindrany fo!

(Sal. 105)

1. 'Zay manaraka sy mitandrina ny lalàna
    Dia ho sambatra koa raha sambatra.
    Ry Iaveh ô, mba tsarovy ny olonao,
    Mba tolory ny famonjenao.

2. Hahita ny hasambarana tena marina,
    Hafaliako ny famonjenao.
    Ny Razanay izay navotanao avy tany Ejipta
    Nanadino ny famonjenao.

3. Fahagagana sy famantarana tany an'efitra:
    Nentinao ho famonjenao ahy.
    Nivadika taminao ireo nania,
    Kanefa navelanao ny otany.

4.Ianao no vatolampy nianteherany
   Ka nanafaka sy niaro azy  Ianao;
   Hoderaina mandrakizay anie Ianao
   Noho ny nitsinjovanao anay.

Nampiditra marielatia
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 49
Fihirana Hasina p. 241
Vavaka sy Hira p. 334
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0692