Nony nisasaka ny alina, dia nisy nilaza hoe

Fiv: Nony nisasaka ny alina, dia nisy nilaza hoe:
       " Inty tamy ny mpampakatra, ka mitsangàna re   
       Eny mandehana e mitsena an'i Kristy e
       Eny mandehana ka tsenao Kristy" ( Mt 25,6 )

(Sal. 44b) 

1. Zavavy ô, ny sofina atongilano,
    Ilaozy ny ray aman-dreninao
    Ho tian'ny Mpanjaka ny bikanao.
 
2. Andeha re mitsaoka ny Tomponao!
    'Reo manan-karena amin'ny vahoaka
     Mitondra fanatitra ho sitrakao.
 
3. 'Lay zanakavavin' Andriamanjaka
     Jereo fa miravaka volamena,
     Mianjaika manatona ny Mpanjaka.
 
4. Indreny milahatra falifaly,
    Mandroso ao an-dapan'Andriamanjaka
    Ireo tovovavy mpanotrona azy.
 
5. Ho maro e ny fara sy dimbinao
    Mba hamelomaso ny razanao
    Hanjaka eran-tany tontolo ireo!
 
6.Izaho kosa hiventy ny anaranao
   Ho ren'ny taranaka mifandimby:
   Hidera azy hatrany ny firenena.
 
7. Isaory ny Tompo nifidy antsika
    Fa ny Zanany no efa niantsoany antsika,
    Handray ny Fanahy hampanjaka antsika.

Nampiditra marielatia
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 105
Fihirana Hasina p. 108
Vavaka sy Hira p. 282
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097