Avia, ry Jesoa Tompo, avia re

        Avia, ry Jesoa Tompo, avia re  ( Apok 22,20 )

1. Miambena lalandava,
    Fa ho avy toa mpangalatra Aho manko.
2. Tano mafy ny finoana,
    Fa efa akaiky ny fotoana hiaviako.
3. Mibebaha, ry vahoaka,
    Sao vinitra aminao mafy Aho.

4. Efa ho avy ny fotoana
    'Zay handonako ny varavaranao.
5. Ho avy Aho, ka ho faly
    Izay mino sy mitandrina ny teniko.
6. Azo antoka ny teniko:
    'Lay taloha, ankehitriny, ary ho avy.

Nampiditra marielatia
Sokajy Fiaviana - Samihafa
Ankalazao ny Tompo p. 297
Fihirana Hasina p. 56
Fihirana Vaovao p. 19
Vavaka sy Hira p. 453
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089