Efa nambaran'ny Tompo ny marina

Fiv: Efa nambaran'ny Tompo ny marina
       Tsisy tsy mahalala an'Andriamanitra
       'Reo afa-misaina amy tany tontolo,
       Nahoana no soloina lainga
       Ny fahamarinan'Andriamanitra? (Rm. 1, 20-23)

(Sal. 13)
1. Ny adala manao Andriamani-tsy misy,
    E! simba tokoa ny fisainan'ireny.
    Toetra lomorina, asa tsy mety:
    Tsy misy olo-marina intsony mihitsy.
2. Fa indro eny an-danitra ambony ny Tompo,
    Mitazana ny olon-drehetra eto an-tany,
    Fa sao dia mba misy olon-kendry amin'ireo,
    Dia olo-misaina mitady ny Tompo.
3. Kinanjo tsy misy olom-banona akory,
    Tsy nisy na iray aza olo-mahitsy;
    Tsy nisy azo antsoina ho manam-panahy
    Fa olo-tsy mendrika izy rehetra.
4.Angaha moa tsy fantatr'ireo olon-dratsy
   " Vahoakako anie no ataony sakafo!"
   Vahoaka madinika ataony fanosy;
   Dia fady azy ireo 'zay mba hiantso ny Tompo.
5. Indreo fa nangovitra teo ry zareo
    Satria teo anivon'ny tsotra ny Tompo;
    " Ho sahinareo ve ny haneso ny ory?
    Kanefa ny Tompo miandany amin'ireny!"
6. Rarîna ho afaka ianao ry Siôna
    Rehefa hampodiana avokoa 'reo 'zay babo!
    Lanonana moa izany ataon-dry Jakôba!
    Endrey ny hafaliana amin-dry Isiraely.
7. Ho Anao Ray Mahery, 'lay fefin'ny ory,
    Ho Anao re, ry Fahamarinan'ny Ray,
    Ry 'Lay Mpanambara ny asan'ny Tompo,
    Henoy re fa antsa no ventesinay!
 
 

Nampiditra marielatia
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 248
Fihirana Hasina p. 202
Fihirana Vaovao p. 5
Vavaka sy Hira p. 252
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0599