Tompo ô, hamasino ny fianakaviana

1 - Tompo ô, hamasino ny fianakaviana
    Isan-tokatrano eto aminay
    Hahita fitia Aminao anie zahay
    Ka hifidiananao pretra sy relijiozy

2 - Tsapa fa ny marina ihany no manavotra
    Tianay hivelomana ho lovan-janakay:
    Hanompo anao hatrany (anie) ny taranakay
    Hitory ny Evanjely, hanambara ny marina.

3 - Ary mba miantsoa pretra sy relijiozy
    Eto aminay amin'ny fianakavianay
    Mihavana aminao, tia ny olombelona
    Mitory ny Evanjely, hanambara ny marina    

4 - Olona tapa-kevitra manoka-tena marina
    Marisika mitady hanara-dia anao
    Faly amin'ny antsonao, hanohy ny famonjena
    Tsy gaga, tsy kivy, mikemo amin'ny manahirana

Isan'andininy: Izahay kosa miaraka Aminao
                                Miaraka Aminao zahay e! mitsodrano azy
                                Mitsodrano azy mba ho tody soa
                                Mba ho tody soa sy haharitra
                                Ho voninahitr'Andriamanitra

5 - 'Zahay vory eto, izarao ny fahasoavanao,
    Mba hahafoy tena, ho vonon-kamonjy namana;
    'Zahay kristianina, fenoy ny herinao,
    Mba ho apôstôly amin'ny fiainanay.

6 - Ry Masina Maria, reny malalanay,
    Teo amin'ny Eglizy hatrany am-boalohany:
    Mivavaha ho anay mba hidinan'ny Fanahy Masina,
    Ka hifanabe, ho masina tahaka ny Ray.

Nampiditra aiinah
Fihirana Dera p. 286
Fihirana Hasina p. 120
Fihirana Vaovao p. 535
Vavaka sy Hira p. 813
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092