Eny isaorana ho'aho Andriamanitra Ray

       

1- Eny isaorana ho'aho, Andriamanitra Ray
     Andriamanitra Rain'Izy Jesoa Mpamonjy
     Fa mangoraka hatrany, mitsimbina antsika
     Mampitony ireo fo izay mijaly sy ory
     Amen, Aleloia. Eny isaorana Ianao!

2- Eny isaorana ho'aho, Andriamanitra Vonjy
    Manasitrana antsika rehetra mijaly
    Mba ho afa-mamonjy, ny tra-pahoriana
    Dia ho toraka izay efa vitany ho antsika
    Amen, Aleloia. Eny isaorana Ianao!

3- Dia ho torak'izay efa vitany ho antsika 
     Raha miara-mijaly amin-Janany isika
     Dia hanala alahelo, hamonjy ny ory
     Eny isaorana, ho'aho, Andriamanitra Ray
     Amen, Aleloia. Eny isaorana Ianao!

Nampiditra aiinah
Sokajy Fisaorana
Ankalazao ny Tompo p. 206
Fihirana Dera p. 235
Fihirana Hasina p. 193
Fihirana Vaovao p. 143
Vavaka sy Hira p. 443
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091