Endrey, mba mahafinaritra loatra izany mpianakavy

(Sal. 132)

Endrey, mba mahafinaritra loatra
Izany mpianakavy
Anatin’ny fifankatiavana
Miara-monina
.

1 - Fa toy ny emboka manitra
Antranonao ry Ray
Izany fifankatiavana
Firaisankina re.
 
2 - Fa toy ny andon'ny lanitra
an-tendrombohitra
Izany fifankatiavana
Firaisankina re.

3 - Fa voatso-dranon'ny lanitra
arovan'Izy Ray
Izany fifankatiavana,
Firaisankina re.

4 - Fa sambasamban'ny lanitra
Onenanao ry Ray
Izany fifankatiavana
Firaisankina re

Nampiditra admin
Sokajy Hiran-damesa - Salamo
Fihirana Dera p. 87
Fihirana Hasina p. 181
Fihirana Vaovao p. 190
Vavaka sy Hira p. 367
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091