Mankasitraka e ! Mankatelina

Nampiditra: pissoa
Sokajy: Fisaorana, Hiran-damesa,


  • Fihirana Dera p. "291
  • Fihirana Hasina p. "774

Fiv :
Mankasitraka eee !
Mankatelina amin'ny soa rehetra nafafinao, ry Ray ô !
Ka misaotra eee !
Izay mba hany hery kely vitanay, ry Ray ô !  


1 - Tsy azo atao hoe : olon-ko azy
Na vahiny intsony ianareo
Fa mpiray fanjakana, Ray ô,
Mankasitraka sesehena ny soa e !

2 - Tsy omby tratra ny haravoana
Nanome ny Zanakao ho anay
Ry Fanahy Zanahary Ray ô !
Mankatelina sesehena ny soa e.

3 - Novonjenao izahay, ry Ray ô !
Fa nafoinao hatramin'ny Zanakao.
Jesoa ilay sitrakao solovoina
Mankasitraka sesehena ny soa e !

4 - Izao fisaoranay izao, ry Ray ô !
Fantatray fa tsy hampitombo ny hasinao,
Nefa izay mba tsapanay hany herinay
Mankatelina sesehena ny soa.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0066 s.] - Hanohana anay