Ry Tompoko, 'lay endrikao

Ry Tompoko, 'lay endrikao re no mahafinaritra ahy,
Tadiaviko 'lay endrikao re ka aza afenina ahy.

 
1. Tonga nofo aho ho fanambaràna ny Ray,
Raha toa ka mitady ahy ianao, hahalala ny endriko.
 
2. 'Zaho nanaiky ho zaza hanoa izay voalazan'ny Ray
Raha miaiky ho zanany ianao, hahalala ny endriko.
 
3. Niasa tanana aho, nanohy ny asan-tanan'ny Ray,
Raha toa mba manohy ianao, hahalala ny endriko.
 
4. E ! Mpampianatra aho, f'izaho no Tenin'ny Ray,
Raha mihaino ahy tokoa ianao, hahalala ny endriko.
 
5. 'Zaho no Mpamonjy nampanantenain'izy Ray,
Raha miandry ahy tokoa ianao, hahalala ny endriko.
 
6. 'Zaho no Mofon'aina, sakafo aroson'ny Ray,
Raha mihinana izany ianao, hahalala ny endriko.
 
7. 'Zaho no Mpandresy, mitoetra eo havanan'ny Ray,
Indray andro ny endrikao hitovy amin'ny endriko.

Nampiditra tywa68
Ankalazao ny Tompo p. 134
Fihirana Dera p. 192
Fihirana Hasina p. 40
Fihirana Vaovao p. 444
Vavaka sy Hira p. 482
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731