Ô ry Jesoa nalaina fanahy

Ô ry Jesoa nalaina fanahy
Hampiasa ny fahefanao
Hitadiavana soa hoan’ny tena
Fa naleonao nanaiky ny Ray
Tsy nanova ireto vato mba ho mofo hohaninao
Nefa nampitombo mofo hamelomana ny noana
Enga anie izahay koa tsy hamadika ny Ray
Ka ny fahefana azo hanasoavanay ny olona

Ô ry Jesoa nalaina fanahy
Hampiseho zava-mahavariana
Mba hinoan’ny olona Anao
Fa naleonao nanaiky ny Ray
Tsy mba nidina niala tamin’ny hazo fijaliana
Fa nanafaka ny ory, nanamaivana ny rofy
Enga anie izahay koa tsy hamadika ny Ray
Ka hampiasa ny herinay hanasoavanay ny olona
  
Ô ry Jesoa nalaina fanahy
Mba hanorina ny fanjakana
Amin-kery igagana eto an-tany
Fa naleonao nanaiky ny Ray
Tsy nandà ho faty Ianao ka ny hazo fijaliana
No porofo manambara ny fitiavanao anay
Enga anie izahay koa tsy hamadika ny Ray
Ka ny fomba iainanay hanasoavanay ny olona

Nampiditra ari.malala
Ankalazao ny Tompo p. 219
Fihirana Hasina p. 38
Vavaka sy Hira p. 484
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097