Tompo ô, lehibe marina ny fitiavanao anay

Fiv. : Tompo ô, (2x) lehibe marina e ny fitiavanao anay e

1. Zanaky ny avo indrindra ianao nanetry tena e
   Tonga taty aminay ianao nanavotra anay

2. Niaritra ny fiainanay ianao, nanjary mpiasa e
    Vizaka nitory teny ianao nitety tanàna e

3. Tsy mba niseho ho mpanjaka ianao fa te ho mpanompo e
    Nanasa ny tongotr’i Piera ianao sy ny apôstôly

4. Nanaiky ho samborin-kijaly ianao hanafaka anay e
    Nanaiky ny fahafatesana e hamelona anay e

5. Nanao ny Eokaristia ianao hamahana anay e
    Namela ny didim-pitiavana e hampiray anay e

6. Nitsangan-ko velona indray Ianao mba ho hery sy aina e
    Nandefa ny Fanahy Masina e maha-zanaka anay e

7. Namoha ny lanitra ambony Ianao mba hidiranay e,
    Ianao ankavanan'ny Ray anie, tombon-dalana ihany e.

8. Hitsara ny olon-drehetra Ianao, ka hamantatra anay e,
    Hampiadana ireo mpianatrao Ianao, ka ho mandrakizay e.

Nampiditra ari.malala
Ankalazao ny Tompo p. 533
Fihirana Dera p. 243
Fihirana Hasina p. 41
Fihirana Vaovao p. 224
Vavaka sy Hira p. 489
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135