Mananjara ianao Maria

1- Mananjara ianao Maria raha samy tovovavy:
Fa eo imason'olombelona e, 
Tsy mba veriny tadidy ny hatsaran-tarehinao,
Fa eo imason'Izy Tompo e
Tsy mba veriny tadidy ny hatsaram-panahinao !

Mananjara ianao Maria! 

2- Mananjara ianao Maria raha samy tovovavy
Fa eo imason'olombelona e, 
Tsy mba veriny tadidy raha ny firazananao ;
Fa eo imason'Izy Tompo e
Tsy mba veriny tadidy ny finoana niainanao !
Mananjara ianao Maria! 

3- Mananjara ianao Maria raha samy tovovavy
Fa eo imason'olombelona e, 
Tsy mba veriny tadidy ny anaran-janakao
Fa eo imason'Izy Tompo e
Tsy mba veriny tadidy fa nahay nanaiky ianao !

Mananjara ianao Maria! 

4- Mananjara ianao Maria raha samy tovovavy
Fa eo imason'olombelona e, 
Tsy mba veriny tadidy ny herim-po nananao
Fa eo imason'Izy Tompo e
Tsy mba veriny tadidy ny fon-dreny nentinao !
Mananjara ianao Maria! 

5- Mananjara ianao Maria raha samy tovovavy
Fa eo imason'olombelona e, 
Tsy mba veriny tadidy ny fahaizanao nangina
Fa eo imason'Izy Tompo e
tsy mba veriny tadidy ny fa nanetry tena ianao !
Mananjara ianao Maria! 

Nampiditra Bariry
Sokajy Masina Maria
Ankalazao ny Tompo p. 383
Fihirana Dera p. 212
Fihirana Hasina p. 565
Fihirana Vaovao p. 311
Vavaka sy Hira p. 606
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095